kolontsaina

Trano koltoraly Malagasy In-droa miantoana ny taom-baovao amin’ity taona 2019 ity


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Hiavaka ny fanomanana ny taom-baovao Malagasy ho an’ny trano koltoraly Malagasy sy ny fikambanana Fitohasina ary ny fivondronan’ireo mpitazona ny hasin’ny tany sy ny fomban-drazana manerana ny Nosy amin’ity taona 2019 ity.

 

 

 

Araka ny fampahafantarana nataon’ny teo anivon’ny trano koltoraly malagasy ny faran’ny herinandro teo mantsy dia tsinana in-droa ny volana Alahamady ny taona 2019, araka izany dia in-droa miantoana ihany koa ny fankalazana. Mandritra  ny tsinam-bolana voalohany, ohatra, dia  hisy ny lanonana makotrokotroka ny 6, 7, 8 martsa 2019 (fanisana andro gregorien) hatao eny amin’ny Ivon’i Madagasikara (misy ny rovan’Andriambahoaka Afovoantany, eny Amboniazy Soavinandriana Itasy), ka ireo fikambanana avy ao anatin’ny Fitohasina no hikarakara ny lanonana amin’izany ahitana ny Masta, ny FIZANAKARA, ny ZANTA… lanonana, fanomanana ny fankalazana ny taom-baovao ofisialy, hikarakarana ny tontolon’ny fanahy. Nambaran-dRtoa Dimby Voavolo Chantal, filohan’ny fikambanana Masta tamin’izany fa natao indrindra  hikarakarana ny fanahy ao anatin’ny vatan’ny olona, sy ny fanahin’ireo andriana efa niamboho (maty), dia ireo izay nomen’Andriamanitra Andriananahary alalana mba hampita ny  fahalalana sy ny hasin’ny kolontsaina aty amin’ny taranaka mifandimby izany. Mangataka ny mba hanaovan’ny fitondram-panjakana ho andro tsy fiasana fa handraisan-karama ny andron’ny taom-baovao Malagasy araka izany ny trano koltoraly Malagasy. Nohamafisin’izy ireo fa ny taom-baovao Malagasy dia ao anatin’ny volana martsa sy aprily.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT