kolontsaina

Trano fijerena sarimihetsika Notokanan’ny filoham-pirenena ny “Plaza” etsy Ampefiloha


  • Talata 19 Desambra 2017


 Notokanana omaly alatsinainy 18 desambra  ny toerana fijerena sarimihetsika vaovao Plaza eny Ampefiloha, izay moderna sy manara-penitra tokoa ary mahazaka olona 800. Ny Ampithéatre d’Ampefiloha teo aloha, ao anatin’ny toerana misy ny ENS (Ecole Normale Supérieure) ity nohavaozina ka lasa toeram-pialamboly ity. Fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina nosoniavina ny taona 2016 teo amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny orinasa Canal 7 Events tantanan’i Andry Raobelina filoha tale jeneralin’ny Dream’in TV sy ny Dream’on Radio izy ity. Tonga teny an-toerana nitokana ny Plaza omaly ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay nilaza fa ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka ihany no hahafahana miatrika ireo fanamby maro be amin’ny fampandrosoana ny firenena. Natao toeram-pitahirizana ny taratasin’ny minisitera maro nandritra ny 20 taona mahery ity toerana ity. Ny Canal 7 Events no niantoka manontolo ny lany tamin’ny fanamboarana sy fanavaozana azy ary hitantana azy koa moa mazava ho azy. Manana traikefa am-polony taona amin’ny resaka sarimihetsika ny Canal 7 Events koa miandry ny havoakany amin’ity efitrano goavana ity ny rehetra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT