kolontsaina

Trano famokarana horonantsary “Metatron Production” Mahitsy Hamoaka tsy ho ela ny “Tsio-drivotra »


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Eo am-pamaranana ny fanodinana ny sarimihetsika novokariny voalohany ny Metatron Production eny Mahitsy amin’izao fotoana.

 

Fanavaozana ny ventin-kevitra voizina eo  amin’ny famoronana sy ny filalaovana sarimihetsika malagasy no tanjona, hoy ny talen’ny trano famokarana Maminiaina Johnny ho fampivoarana ny zavakanto anatin’ny fanomezana hasina ny maha Malagasy. Mpilalao sarimihetsika avy amin’ny toerana ivelan’ny renivohitra ny ankabeazan’ireo 15 notsongaina hamelona ny horonantsary « Tsio-drivotra », sanganasa voalohany hovokarin’ny Metatron Production izay hivoaka ato ho ato,  ankoatra an’ireo mpanakanto toa an-dry Nhodas. Miala amin’ny mahazatra ihany koa ny tantara, hampivoitra ny olana ara-piarahamonina ateraky ny tsy fitovian’ny fitandroana ny soatoavina malagasy ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe amin’izao fotoana, araka ny fanazavana nomen’ny talen’ny trano famokarana Metatron production, Maminiaina Johnny. Safidy napetraka ny hanasongadina ny maha-Malagasy, hoy izy, hisorohana ny fahaverezan’ny soatoavina ao anatin’ny firoborobon’ny kolontsaina vahiny entin’ny fanatontoloana. Iantsoany ny rehetra rahateo ny hifanome tanana hikajiana ny maha Malagasy izany, hitandroana ny hasin’ny firenena amin’ny alalan’ny fanentanana ara-javakanto toy izao.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT