Malaza noho ny resaka fahalalahana ara-tsiantifika ananany ny tovolahikely Rosianina antsoina hoe Boriska Kipriyanovich, 20 taona izay nilaza fa niaina tany amin’ny planeta Mars nialohan’ny nahatongavany teto ambonin’ny tany.
Tsy fantatra mazava kosa ny tena antsipiriam-piainany fa mifono misitery. Nianatra namaky teny izy fony vao herintaona monja, ary nahalala haingana ny fomba fanoratana fanaovana sary. Manana fitadidiana mahazendana ihany koa, araka ny tatitra ao anatin’ny Gazety Britanika "Daily Star". Avy any an-kafa mihitsy io haranitan-tsaina ananany io raha ny fanzavana satria Borisika dia nilaza fa niaina tany Mars tamin'ny fotoana naharavan’io “planeta mena” io vokatry ny ady. Efa taona maromaro no hita tao amin'ny “internet” ny sariny sy ny horonantsary mitantara ny zavatra nambara fa niainany, saingy amin'izao fotoana izao vao tena miresaka azy ny gazety britanika. Nanazava izy fa nanamory sambon-danitra ary nandeha irery tamin'ny rafi-masoandro (Système solaire). Izany no nahazoany fahalalana maro momba ny kintana, izay tsy nampianarin’ny ray aman-dreniny azy akory. Araka ny voalazany, ny planeta dia naringan'ny ady sy nokleary. Nandositra i Boriska taty an-tany noho izany izy ny taona 1996. Tamin'ny taona 2008, nanomboka nanao anarana ho azy ny zatovo fony izy no lohahevitry ny fanadihadiana "Boriska: Indigo Boy from Mars". Manazava izy fa mbola misy zavatra maro tokony hianaran’ny olombelona ary ny fanalahidy iray dia ao amin'ny sarivongana iray goavana “Great Sphinx” ao akaikin’ny ny “Pyramide de Gizeh” any. "Hiova ny fiainan'ny olona rehefa misokatra ny Sphinx, ka ao ambadiky ny sofin’io Sphinx io no misy ny fanalahidy, saingy tsy fantatro hoe aiza marina izany," hoy izy. Nohamafisiny tao anatin’ny horonantsary tamin’ny 2008, fa eo anelanelan'ny taona 2009 sy 2012, dia hisy "loza" voajanahary, "tondra-drano", saingy tsy naneho ny mety ho tanjany izy. Nisy tokoa ny horohorontany nahery vaika tany HaÏTi ny taona 2010, ka tsy hay na fifandrian-javatra na ahoana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.