kolontsaina

Tovolahy nanota fady Avotra rehefa nanaovan’ny Fiangonana asa fampaherezana


  • Alatsinainy 05 Septambra 2022

Rakotonjanahary Herinirina, tovolahy iray 21 taona, no nahavoadaka sy nahavoahitsaka bibilava iray tao amin'ny saha iray ao Ankaditoho Tsimbazaza, ny herinandro teo.

Nilalao baolina niaraka tamin'ireo namany izy no niseho ity trangan-javatra tsy dia fahita ity. Nilatsaka tampoka avy any ambony lodsia ilay bibilava kanefa izy teo am-pototr'ilay hazo ka voahitsany tsy nahy ilay biby. Nanomboka nahare fahatsapana hafahafa teo amin'ny tongony ilay tovolahy taorian'izay sady toy ny tsy tompon'ny tenany. Nanamafy izany koa Rahajarison Patrick, mpahay tantara sady Olobe ao an-tanàna fa tena nisy tokoa ity trangan-javatra ity. Nohamafisiny fa toerana manan-jina sady manana ny hasiny ity saha, manamarina izany ny fisian'ny zazakely iray nipipy tao ka namoy ny ainy avy hatrany. Toy izany koa ny nataon'ireo mpianakavy nanao fanahiniana nampiditra osy ka lasa nifamono mihitsy ireto mpianakavy ireto. Teo koa ny fisian'ireo ankizy nilalao tarondro ka nahafaty ity biby manan-jina ity ka maty koa ireo ankizy ireo taorian'izay. Fantatra fa hoe : tsy afa-bela avokoa ireo olona izay manota fady ao amin'ity toerana ity satria misy biby marobe sy fasana ary loharano tsy azo otaina fady ao fa tena mamono. Misy ireo efa manao sorona saingy mbola maty ihany araka ny fijoroana vavolombelona nataon'ilay Olobe mpahay tantara hatrany. "Voahitsaka sy voahosihosy ny hasin'ny tany sy ny fady dia izany no mahatonga ireo biby hasiaka", hoy hatrany ity Olobe mpahay tantara ity. Pastera Ranaivoarivelo Tsiresy, mitondra ny fiangonana Manamboara Vatsy no nanao ny asa fampaherezana sy fanafahana ilay tovolahy niharam-boina rehefa nahita ity trangan-javatra ity ka avotra soamantsara.
Nangonin’i Jean D.
Ilay tovolahy nisehoan-javatra hafahafa tao Ankaditoho
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT