kolontsaina

Top Kanto 2022 Lasan’ny tarika Hiravo ny laharana voalohany


  • Alatsinainy 27 Jona 2022

Tontosa soamantsara ny zoma 24 jona tolakandro ny dingana famaranana ny lalao Top kanto andiany faharoa "hihira ho an'ny Gasikara".

Nibata ny laharana voalohany ny tarika Hiravo. Nitondra ny laharana faharoa ny tarika Laud. Ny laharana fahatelo no azon'ny tarika Diary sy Navalona. Isaorana mitafotafo, araka izany, ireo nandray anjara rehetra, hoy ny mpikarakara. Tsy hadinoina koa ireo mpanohana ity fandaharan’ny Top radio 102.8 fm ity rehetra dia ny Ski Muzik, Karibotel, PK27, Infinix, Tecno, Flamingo, Proxishop, SIDEX-OI, Mada Mix Dance, S25SOYA, Fitia Boutique, Verovero, Charm'elle, Excellence Beauté, Miss C'lush. Arahabaina manokana kosa ny tarika Hiravo fa dia lasany indray izany ny laharana voalohany tamin’ity andiany ity. Amin’ny andiany fahatelo indray, araka izany, ny fotoana manaraka.


Onjampeo mivoy sy manasongadina ny Maha Malagasy sy ny vita Malagasy ny Top Radio 102.8 fm, izay Malagasy 100%, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ireo mpanakanto na ireo mana-talenta ka anton’ny nametrahana ny fifaninanana Top Kanto.Mifandraika amin’ny fitiavan-tanindrazana izany izay tokony ho toetra raiki-tapisaka amin’ny Malagasy tsirairay isan’andro fa tsy hoe rehefa fetim-pirenena ihany.
J. Mirija
Legende: Izy 3 mirahavavy ao amin’ny tarika Hiravo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT