kolontsaina

Tontolon’ny zavakanto Mpanakanto roa no indray namoy ny ainy


  • Alatsinainy 15 Novambra 2021

Misaona tanteraka ny tontolon’ny zavakanto ny faran’ny herinandro teo. Mpanankato roam antsy no indray nindaosin’ny fahafatesana.

 Anisan’ireny i Biry ao amin’ny tarika Ny Rainilovy sy Mamy ao amin’ny tarika Ivoara. 87 taona i Biry na Randriamahatana Bruno no izao nodimandry izao. Izy no nanorina ny tarika NY Railovy tamin’ny taona 1956 niaraka tamin’i Jerome Randria izay tsy iza fa rahalahiny ihany. Mpamoron-kira tao anatin’ny tarika izy. I Mamy kosa no anaran’ilay mpanankato iray namorona ny tarika Ivoara. Tany amin’ny taona 2005 tany no niforonan’ny tarika Ivoara, fantatry ny maro tamin’ilay hira hoe : tiako ianao. Maro tamin’ireo mpankafy azy mirahalahy mianaka ireto araka izany no tohana tanteraka ny fony. Izahay eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’izy mirahalahy mianaka nodimadry ireto.
Pati
Legende : Izy roalahy mianaka mpanankato samy nodimandry
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT