kolontsaina

Tontolon’ny zavakanto Mifarana hatreo ny tarika Mahaleo


  • Talata 05 Novambra 2019

Telo sisa ireo mpikambana ao amin’ny tarika Mahaleo ankehitriny. Taorian’ny nahalasanan-dRaoul, Nono, Fafah ary Dadah mantsy dia Bekoto sy Dama ary Charles sisa no tavela.

 

 

 

 Nanambara i Bekoto omaly fa tsy misy intsony ny tarika Mahaleo. Tsy tarika intsony mantsy, hoy izy no ilazana anay telo mirahalahy akanga sisa nanamborana. Diso navesatra loatra ny fisarahana nisy teo amin’ireo mpikambana ao anatin’ny tarika tapa-bolana izao. Nomarihin’i Bekoto fa fijanonan’ny fo avokoa no nahafaty an’i Dadah sy  Fafah. Mbola tsy nanakom-pery akory anefa ny ratra teo aloha dia tonga indray ny manaraka. Nanamarika i Bekoto fa hery lehibe ho azy ny fijoroan’ny mpankafy sy ny fanotrononany azy ireo ao anatin’izao fahoriana lalina lalovan’ny tarika izao. Etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no hovagiana sy andrasana ny razana rahampitso alarobia 06 novambra raha any Mandrosoa, Betafo no halevina ny alakamisy 07 novambra.

 

Pati

Legende : Izy telolahy sisa velona ao anatin’ny tarika Mahaleo ( Sary nindramina)



 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT