kolontsaina

Tontolon’ny zavakanto Manjavozavo ny taona 2021


  • Alatsinainy 11 Janoary 2021

Mpanakanto misehatra amina kanto maro na hoe “artiste pluridisciplinaire” i

 

 

 

Hanta Navalona Razafimanantsoa na Haintso Maitso Volo, fantatry ny mpitia kanto amin’ny hoe Sleeping Pop. Isan’ireo sehatra ilomanosany ny rehetra mahakasika ny sary toy ny hosodoko, ny sarimiaina, ny fanehoana na « illustration », ny tantara an-tsary, sary amin’ny tamboho na “street art”. Misehatra eo amin’ny tontolon’ny mozika amin’ny alalan’ny fivelesana amponga maro anaka ary manomboka misehatra anaty tontolon’ny sarimihetsika koa izy ankehitriny. Efa nanao Slam koa, raha ny fanazavany hatrany. Ny taona 2007 izy no nivelona tanteraka tao anatin’ny kanto ary miankina amin’ny fahaizanao mitady tsena ho amin’izany, hoy izy, no mahatonga azy io hahavelona anao sy ny ankohonanao na tsia. Ady be ho anay ny taona 2020 satria niezaka nanao izay tsy hanadinoan’ny olona anay izahay mpanakanto. Nahazo vavabe tamin’ireo mpikirakira tambazotran-tserasera izahay tamin’ireny hoe tsy tokony hisitraka fanampiana tao anatin’ireny valanaretina ireny. Adinon’ny olona tsy afaka nijery sarimihetsika, nihaino hira, nanao karaoke, namaky boky sy ny sisa ny olona tao anatin’ireny fihibohana ireny raha tsy ny mpanakanto. Mbola manjavozavo ny taona 2021 satria raha manaraka ny vaovao eran-tany dia hiditra amin’ny andiany fahatelo na “3e vague” amin’ity aretina ity izany izao tontolo izao ka sarotra ny hametraka vina aloha raha tsy fantatra tsara ny fivoaran’ny zava-misy. Vahaolana amiko ny tsy maintsy hamoronan’ny sehatry ny kanto zava-baovao satria raha sanatria miverina mikatona io mila manana vovonana vaovao. Mila omena lanja ny kolontsaina sy kanto. Fotoana hananganana indostria ara-kolontsaina izao fa tsy iononana amin’ny kivarobarotra amin’ny sisiny fotsiny. Tokony hitondra zava-dehibe ho an’ny toekarem-pirenena ny kanto tsinona rehefa vonona hanome lanja azy ny fanjakana, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT