Tontolon’ny zava-kanto

Nodimandry omaly i Fanaiky


  • Alarobia 11 Septambra 2024

Misaona indray ny zava-kanto Malagasy ! Nodimandry omaly teo amin’ny faha-54 taonany Rasolomahatratra

Ny Herivelona Fanaiky na i Fanaiky no nahalalan’ny besinimaro azy. Mpanakanto miavaka, sangany tamin’ny tontolon’ny fitendrena «guitare basse » i Fanaiky, compositeurr, mpikambana tao amin’ny tarika Solomiral,... Ny Zoma 06 Septambra farany teo no niaka-tsehatra tetsy amin' Ivokolo i Fanaiky i Fanaiky, naneho fisaorana, ary namarana ny sehony tamin’ny hoe : « Misaotra e ! ». Nandritra io no nilazany sy nanehoany fa mila mifankatia sy mifanoro ny mpanankato. « Ny bassite gasy ary tsy hoe bassiste gasy ihany fa na ao anaty mozika hafa aza dia mety daholo satria izay ny hafatra napetrak’i Mika Kely dia ny fifankatiavana, fifanorohana ara-mozika,… », hoy i Fanaiky. Nisaorany nandritra io seho farany nataony io ireo mpiara-miasa aminy amin’ny resaka feo sy sary sy ny maro hafa, fa indrindra ny mpankafy satria nandritra io dia efa nilaza izy hoe : «Izaho efa nieritreritra fa mety tsy ho vitako intsony ». Efatra andro taorian’izay dia io izy lasa niofo tontolo hafa io, namonjy ireo namany mpiangaly ny mozika sy gitadra beso dia i Tôta, Nono (Mahaleo), Nono (Johary), Mika-kely. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT