kolontsaina

Tontolon’ny sarimihetsika Tena novizanin’ny fihibohana


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Toy ny niaina tanaty nofy ratsy ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika tao anatin’izay 5 volana nisian’ny fahamehana ara-pahasalamana izay, hoy ny mpamokatra sady mpilalao sarimihetsika, Sahoby Razafindrakoto.

 

 

 

Ny asa andavanandro no nijanona avy hatrany. Tsy misy azo natao satria tsy afaka nanao “tournage” izahay. Tsy maintsy anaty tranon’olona tsinona izany no atao. Tsy azo atao anefa ny mifanerasera. Ny dikan’izay nijanona ny fanodinana. Ny vokatra efa nisy dia tsy maintsy tsy navoaka na dia efa natao aza ny serasera nandaniana vola maro satria tsy mora ny serasera eto amintsika, hoy hatrany izy. Tokony namoaka sarimihetsika izahay ny 26 martsa saingy nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana ny 19 martsa fa mihiboka ny isan-tokantrano. Tanaty fiatoana tekinika tanteraka ny mpanao sarimihetsika tao anatin’izay 5 volana izay. Tsy izahay mpamokatra ihany no ao fa misy tekinisianina sy ireo mpamolavola ny vokatra mialohan’ny hahatongavan’ny vokatra any amin’ny mpanjifa tsirairay ihany koa. Olona an’arivo ihany koa no miantehitra amin’ny sarimihetsika avoakanay isam-bolana satria miasa mamelona tokantrano koa ireo, hoy izy, nefa fatiantoka sy fahapotehana no nitranga. Tsy naharay fanampiana izahay na dia mamelona olona maro aza. Mitodika manokana amin’ny mpitondra aho hoe isan’ny mampita hafatra vetivety indrindra ny mpanao sarimihetsika ka na tsy hanampy anay amin’izao aza ny fanjakana dia afaka manome aza ho anay hahafahanay manao izay fampitan-kafatra izay, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT