Tontolon’ny sarimihetsika sy fizahantany

Nanao fanodinana teto Madagasikara ny ekipan’ny Bollywood


  • Talata 26 Desambra 2023

Nisy ny fanodinana horonan-tsary nataon’ny ekipan’ny Bollywood, sangany amin’ny

famokarana sarimihetsika Indianina, izay malaza eran-tany amin’ny alalan’ireny tantara an-tsary mitohy ireny, teto Madagasikara teo anelanelan’ny 10-22 desambra lasa teo. Tanjona amin’io ny fanodinana horonan-tsary ho an’ny andaniny, fa tafiditra kosa amin’ny fampahafantarana an’i Madagasikara ka hahatonga ireo mpizahatany ho avy eto Madagasikara ho antsika. Angady nanana sy vy nahitana ity paikady iray ity noho izany ny Ofisim-pirenena momba ny fizahantany na ny ONTM sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Ireo mpamokatra sy olo-malazan’ny indostrian’ny simema Indianina no nitarika ny fanodinana izay nanehoana ireo mpilalao sarimihetsika malazan’ny Bollywood tamin’ny toerana ara-pizahantany maro tany Toliara sy teto Antananarivo. Teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fizahantany izy ity, ary teo ihany koa ny fanohanan’ny governemanta Malagasy tamin’ny alalan’ny PIC (Pôles Intégrés de Croissance). Tanjon’ny tetikasa ny hampiroborobo ny faharisian’ny mpizahatany aty amintsika indrindra fa ho an’ny tsena Indianina, hoy hatrany ny fanamafisana. Naneho ihany koa ny ONTM, fa ny fandraisana ireo ekipa mpamokatra Indianina dia fandraisana anjara amin’ny fametrahana ny politikan’ny governemanta Malagasy izay mitodika amin’i Inde ho isan’ny tsena lohalaharana amin’ny tontolon’ny fitsidihana. Tafiditra ihany koa amin’ny paikadin’ny ONTM mba hanamafisana ny fampahafantarana an’i Madagasikara ny fandraisana mpamokatra horonan-tsary goavana maneran-tany tahaka izao.
Toky R

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT