kolontsaina

Tontolon’ny sarimihetsika Malagasy Nisy fiantraikany be ny hamehana ara-pahasalamana


  • Alatsinainy 05 Jolay 2021

Niroborobo ny sarimihetsika Malagasy teto amintsika raha ny hitako tao anatin’izay 12 taona nidirako tao anatiny izay, hoy ny mpilalao,


 Heriniaina Fanomezantsoa, fantatra tamin’ny anarana hoe Mino, tao amin’ny tantara mitohy Novegasy, Farakely. Efa betsaka amin’izao fotoana izao, hoy izy, ny teknolojia dia niha tsara ny kalitao. Raha kamera miisa 2 no nampiasaina taloha, ankehitriny efa 4. Nisy fiantraikany be tamin’ny tontolon’ny sarimihetsika Malagasy na izany aza ny fandalovan’ny hamehana ara-pahasalamana. Voafetra ny ora hanaovana fanodinana. Raha tokony ho mandra-paharivan’ny andro dia zary tapak’andro, ohatra. Manentana ny rehetra hatrany, noho izany, hoy hatrany izy, mba hanjifa ny vita Malagasy ho fankaherezana ireo mpisehatra anatin’ity tontolo ity mba hanome ny tsara kokoa hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT