kolontsaina

Tontolon’ny nentim-paharazana “Voahosihosy ny maha izy azy an’i Madagasikara”


  • Alarobia 09 Desambra 2020

Feno fisavoritahana ny taona 2020, hoy ny filohan’ny fikambanan’ireo mpitsabo

 

 

nentim-paharazana Malagasy, Josephin Andriandrainarivo, namintina ny fahitany izay tontolon’ny nentim-paharazana izay nandritr’ity taona ity. Misy soatoavina sy fitsipi-pitondran-tena tokony hajaina eo amin’ny fiainana. Ireo no vato fantsiky ny fiarenana amin’ny fiainana. Rehefa voahaja ireo dia mitombo ny fandriampahalemana, manjaka ny fahasalamana, miha vokatra ny tany, miarina ny fahendren’ny taranaka sy mpiara-belona. Mbola lavitr’izany ny taona 2020. Mbola manjaka ny fifanenjehana politika sy finoana. Manjaka ny fahantrana sy fahalovana ara-tsaina amin’ny alalan’ireny fametavetana zazakely ireny. Toy izany koa ny halatr’omby sy vono olona. Mbola mila manangona ireo tapatapany na “morceau” isika satria voahosihosy daholo ny maha izy azy rehetra an’I Madagasikara. Manana sampan-draharaha momba izany ao amin’ny minisiteran’ny kolontsaina isika dia ny DIC. Tokony velarina kokoa ny andraikitr’io sampan-draharaha io mba handrosoana bebe kokoa amin’ny famerenan-kasina sy izay famerenana ny maha izy azy ny Malagasy izay amin’io taona vaovao io, hoy hatrany ity mpandala ny nentim-paharazana sady filohan’ny ANTM ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT