kolontsaina

Tontolon’ny mozika Nodimandry i Mikakely


  • Alatsinainy 11 Martsa 2024

Banga ny tontolon’ny mozika ! Nodimandry omaly 10 martsa teo

amin’ny faha-47 taonany i Raoel Brice MiCk Angelo Mikakely, mpitendry « guitare bass » na « bassiste » nikoizana. Narary mafy, ary notsaboina teo amin’ny iray volana teo ny tenany ary nisy ny hetsika samihafa nataon’ny mpanakanto mba ho fanohanana amin’ny fitsaboana azy, saingy nindaosin’ny fahafatesany, hangina ny gitarany, fa ny kanto navelany kosa hijanona ho lova sy vakoka ho an’ny rehetra. Niavaka tamin’ny talenta nananany i Mikakely, ary isan’ny mpitendry tsy nanam-paharoa sy nikoizana. Nametraka ny dian-tànany tsy hay kosehana teo amin’ny tontolon’ny mozika. Tarika sy mpanakanto maro no niara-niasa taminy tao anatin’izany raha tsy hilaza afatsy ny tarika ‘Zay, Samoela,… Ny alarobia izao no hiala ao amin’ny tranony ao Manandriana Avaradrano ny nofo mangatsiakany, ka hoentina hanomezam-boninahitra ao amin’ny Ekara Md Alexandre Ambatofotsy mialohan’ny hametrahana azy ao amin’ny fasan-drazany ao Ambatofotsy Avaradrano. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT