kolontsaina

Tontolon’ny kolontsaina Nindaosin’ny fahafatesana i Paul Congo


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Mpanankato nanana ny maha-izy azy tany amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny Atoa Jaoravoana Paul, fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra hoe : Paul Congo.

Mpanoratra ihany koa izy ary tsy nitsahatra ny nanao izany na dia efa 71 taona aza, mampahafantatra ireo taranaka faramandimby ireo karazana kolontsaina tokony ho fantany fa tsy ho variana fotsiny amin’ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny. Ny nampalahelo anefa dia nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny faran’ny herinandro teo Itompokolahy. Anisan’ny asa goavana mbola niantsorohany talohan’izany ny nitantara angano Sakalava sy Antakarana tamin'ny haino aman-jery maro tamin’ireo ankizy sy tanora any an-toerana, lovan-tsofina anisan’ny manana ny maha-izy azy eny anivon’ny fiaraha-monina no sady mbola azo hitaizana tsara ny ankizy ihany koa. Tao anatin’ny alahelo tanteraka no nandrenesan’ny rehetra izany. Tsiahivina moa fa filohan’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy ao Antsiranana ihany koa Itompokolahy. Mpandalina Kolontsaina ary efa niasa tao amin'ny fitaleavam-paritry ny kolontsaina tany an-toerana ihany koa izy. Anio no alevina any amin’ny fasan-drazany any Antsakoamanondro Ambanja Antsiranana ny nofo mangatsiakany. Mirary fiononana feno ho azy sy ny fianakaviany ny gazety Tia Tanindrazana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT