kolontsaina

Tontolon’ny kolontsaina eto Madagasikara Tsy mandroso, hoy i Titane Pigny


  • Sabotsy 18 Novambra 2017

Boky faha 5 navoakan’ilay mpanoratra Titane Pigny ary nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Colbert omaly ny “L’abécédaire” na “Ny ABD”

 izay nitantarany ny fiainana nolalovany amin’ny alalan’ny filalaovana ireo litera ao anatin’izay ABD izay. 3 volana no nanoratana azy ity ary raha ny tokony ho izy moa dia ny volana oktobra, toy ny isan-taona, no namoahana ny boky saingy noho ny fipariahan’ny valanaretina pesta teto amintsika dia novambra vao tafavoaka. Amin’ny maha vehivavy ny mpanoratra dia saika ny resaka fitiavana, ny tontolon’ny renim-pianakaviana, ny asany, izay sady mpanoratra no mpanao hosodoko ary dokotera no tantarainy. Tsy misy tanjona manokana fa ny fahafinaretana manoratra no mialoha ny zavatra rehetra fa anjaran’ny mpamaky kosa no mandray izay tandrify azy, hoy i Titane Pigny. Ny takarivan’ny 22 novambra izao kosa no hampahafantarana azy ity amin’ny fomba ofisialy ao amin’ny Colbert hatrany. Tsy mandroso loatra, hoy ity mpanakanto ity ny tontolon’ny kolontsaina eto amintsika ary nanahirana ny nanonta ireo bokiko hatramin’izay satria dia ny tenako ihany no namoaka azy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT