kolontsaina

Tontolon’ny Ba gasy Nodimandry i Gaston Andrianony


  • Talata 31 Aogositra 2021

Misaona ny tontolon’ny mozika Ba gasy satria dia nodimandry omaly maraina teo amin’ny faha 85 taonany ny isan’ny tompon’izany bahan-kira izany fahavelony, Gaston Andrianony.

 Azo lazaina ho kintan’ireo mpihira kalon’ny fahiny ihany koa izy ary niara-niasa akaiky tamin’ireo mpiangaly izany indray nihira taminy toa an-dry Salomon tao amin’ny tarika Kintana telo sy ry Biry tao amin’ny tarika Ny Railovy. Isan’ireo efa nampindramina ireny kantony ireny sy nihira izany tamin’ny fombany ihany koa, ohatra, I Nini ao amin’ny tarika mpiangaly Rock Malagasy, Kiaka izay zanany moa. Namela mpitondra tena sy kamboty 5 mianadahy moa Ratompokolahy ary mipetraka ho tantara kosa ny mamy napetrany tao anatin’ny kantony noho izao fahalasanany izao. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT