Tontolon'ny zavakanto

Nodimandry teo amin'ny faha 48 taonany i Lalie


  • Alatsinainy 29 Aprily 2024

Nodimandry omaly maraina tokony hobtamin'ny 7 ora sasany teo amin'ny faha 48 taonany i Andriamazava

Hanitriniala Lalie na Lalie, mpanakanto. Tsy salama efa taona vitsivitsy izy izay, nandalo fandidiana kanefa nihombo ny aretiny. Kyste ovarienne nahitana homamiadana no nahavoa azy tany am-boalohany, avy eo rehefa natao ny fitiliana sy fitsirihana hafa dia hita fa nisy olana tao amin'ny avokavoka indray i Lalie raha ny fanazavan'i Nini vadiny ny faran'ny herinandro teo. 2 andro lasa izay dia mbola nandefa horonantsary niantso tolo-tanana izy mivady. Ny taona 1996 no nahafantarana voalohany an'i Lalie teo amin'ny sehatry ny zavakanto tamin'ny alalan'ny fampiaraham-peon'izy sy Do Rajhonson. "Miaraka aminao" ilay hira. Nisy fotoana efa niditra teo amin'ny tontolon'ny Rnb sy Rap ihany koa izy ka nampindrana ny feo mangany tamina hira maromaron'ny tarika nalaza tany amin'ny tapaky ny taona '90 tany toa an-dry Tribe. Fa fampiaraham-peo tena ahatadidiavan'ny maro azy ny "Raha tsy ho ahy" niarahany tamin'i Rija Ramanantoanina sy ny "Feo roa" niangaliany niaraka tamin'i Lalie. Ankoatra ny maha mpihira azy dia nianatra manokana ny taranja Angilisy teny amin'ny fakiolten'ny teny aman-tsoratra , Oniversiten'Antananarivo i Lalie. Nandalo olana ara-pahasalamana an-taonany maro izy ary 2 taona teo izay no niverina nihira sy efa niakatra an-tsehatra no izao nandao izao.Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany.
Nangonin'i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT