kolontsaina

Tontolo iainana sy kolontsaina Tsy afa-misaraka, hoy i Michel Le Dragon


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2018

Tsy afaka miresaka tontolo iainana isika raha tsy miresaka kolontsaina, hoy ny andrarezin’ny haiady malagasy, Maitre Michel Le Dragon. Tsy ny vahiny no mahalala sy miaina ny kolontsaina eto fa isika.

 

 

Vidiam-bola ankehitriny hatramin’ny manary maloto kanefa tsy voatery hanana 50 isak’izay poritra an-dalana daholo ny vahoaka rehetra. Tsy mahagaga, hoy izy, noho izany raha samy manary izay manery azy eny rehetra eny daholo ny olona. Toy izany koa ny lafiny finoana. Misy antony matoa misy olona manao hoe maraina izy miditra am-piangonana, antoandro mankany amin’ny sampy ary ny hariva mankany amin’ny mpisikidy. Toy izay koa, hoy hatrany ny  tenany, no mahazo ny tontolo iainana eo amin’ny lafiny politika eto Madagasikara. Tsy  milamina ny tontolo iainana amin’ny lafiny rehetra satria tsy ao ny kolontsaina izay tokony tsy ho afa-misaraka aminy. Hankalaza ny faha-50 taonany ato ho ato moa ny fikambanana Gakama na Gasy ka mahery izay tarihin’ity andrarezina ity ary  havoitrany amin’ireo fampisehoana hataony io maha zava-dehibe ny kolontsaina io.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT