Toerana antsoina hoe Teniky ao Isalo

Mety misy ifandraisany amin’ny vahoaka avy any Azia


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

Eo anivon’ny valan-javaboarin’Isalo, faritra atsimon’i Madagasikara,

no misy ny toera-mirakitra tantara na «site archéologique» antsoina hoe Teniky. An-jato taona izy io, raha ny fampitam-baovao voaray, no efa nahaliana ireo mpikaroka. An’arivo taona kosa no efa nisian’ny fanadihadiana lalina momba izany saingy azo lazaina hoe vao haingana ihany ny fikarohana lalina natao taminy. Nisy, noho izany, ny vokatr’izay fikarohana izay toy ny fahitana akora samihafa mifandraika amin’ny kolontsaina avy any amin’iny tapany atsimo atsinanan’i Azia iny. Lasa mampametra-panontaniana vokatr’izany fahitana izany ankehitriny ny mikasika ny filazàna fa ny portogey no tonga teto Madagasikara voalohany. Mihevitra tsinona ireo mpikaroka fa ny fiarahamonina nipoiran’ity toera-mirakitra tantara ity dia mety misy fifandraisana maro amin’ny vahoaka Aostronezianina na indianina na persianina. Hita ho misy fifandraisana betsaka amin’ny rafitra iranianina ihany koa izany voka-pikarohana isan-karazany hita tato ho ato izany, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT