Tirike Augustin

Nizara « kit Scolaire » tao Ampanihy


  • Talata 09 Septambra 2025

Alohan’ny fiaingany ho any Canada dia nizara « kit Scolaire »

ho an’ny mpianatra any amin ny distrikan ‘Ampanihy ny Mpanakanto Tirike Augustin. Mitondra hatrany ny anjara biriky ho fanasoavana ny tanindrazana sy ny mpiara-belona, ka isan’ny zava-dehibe aminy ny lafiny maha olona sy ny fampianarana. Nandritra ny fanamarihana ny faha-35 tarika tao Toliara iray volana lasa no efa nanehoany hoe : « teraka tao Ampanihy, zanak’Ampanihy, mahita ary mahatsapa ny fahoriana mianjady amin’ny mpiara-monina amiko, indrindra amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy ». Hitondra ny feon’ny faritra Atsimo rahateo no isan’ny fototra niaingan’ny mozikany ka nahatonga azy ho mpanjakan’ny gadona tsapiky. Tsy mijanona amin’ny zava-kanto, fa miezaka mijery ny mpiara-belona satria roa taona lasa dia nisy ny antso tolo-tanana « lever de fond » nataony nentina nananganana vovo, ka nahavitany 5 ho an’ny tapany Atsimo izay nisaorany ireo rehetra nanampy. Nisy ihany koa ny fizarana « filtre à eau » ho an’ny mponina. « Miezaka mitondra izay kely vita. Nikasa hanoratra boky mikasika ny fiainan’ny Faritra Atsimo. Feno amin’ny Faritra Atsimo avokoa rehefa fahoriana. Olana anefa ny hoenti-manana tamin’ny fanatanterahana izay boky izay, ka nisafidy ny hira nentina nampita ny tao am-po, antony nananganana ny Tarika Tirike ny 01 aogosirtra 1990 », hoy i Tirike raha tsiahivina ny valan-dresaka nataony iray volana lasa izay. Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy ! Taorian’ny « Tour de Madagascar », dia hiazo an’i Canada hatrany Amerika indray ny tarika Tirike,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT