kolontsaina

Tikanto Tafaray Hampatsiahy an-kira ny taona 80 hatramin’ny 2000


  • Alakamisy 28 Jona 2018

Nandritry ny fifaninanan-kira natao ho an’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny kaominin’Antananarivo no nahatsikaretana ny feo manga sy ny fahaizan-dry Nandrianina sy Rivo ary Rinah mozika.

Rehefa izany dia nanapa-kevitra ny hanangana tarika izy ireo ny fiandohan’ity taona 2018 ity ary nisantatra hetsika tao amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina ny volana febroary teo, raha ny fanazavan’ny mpandrindra ny tarika, Haja Rajaonarivony. Noho izany fitiavana mozika izany rahateo moa no nahatonga ny anaran’izy ireo ho Tikanto tafaray. Tsy mbola manana hira manokana kosa anefa ny tarika hatreto fa miavaka kosa eo amin’ny fameloman-kiran’olon-kafa. Hanakoako etsy amin’ny Telozoro Andrefanambohijanahary ny tsiahy an-kiran’ny taona 1980 hatramin’ny 2000 hoentin’ity tarika ity anio 28 jona manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ary mandrak’alina, hoy hatrany ny mpikarakara. Hanomboka amin’ny « Karaoke live » ny seho, handalo amin’ny « Cabaret » ary any amin’ny « soirée disco » vao mijanona. Ho heno ao avokoa, hoy hatrany ny fanazavana, na hira malagasy na vahiny.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT