THIERRA BRUNO

Hankalaza ny faha-70 taonany


  • Talata 16 Aprily 2024

Na dia tao anatin’ny aretina mafy aza ny mpanankato Thierra Bruno tamin’ny taona 2023

dia efa milamina ny fahasalamany amin’ny ankapobeny ankehitriny. Hankalaza ny faha-70 taonany izy amin’ity taona 2024 ity ka hisy ny hetsika goavana entiny hanamarihana izany. Hisy ny cabaret hotanterahiny eny amin’ny Espace Nambinintsoa ny datin’ny 21 Aprily ho avy izao, izay daty hankalazany ny tsingerin-taona nahaterahany mihitsy. Ho avy hampiara-peo sy hanohana azy mandritra izany ny tarika Kougar izay tsy iza fa ny zanany lahy ihany, fantatry ny maro tamin’ilay hira hoe : Fafao ny tokontany. Ho avy eo ihany koa ry Nanie, Mahery, Luc,….Haneho ny talentany mandritra izany ihany koa ry Nambinintsoa Orchestra ahitana andry Dokotera Rado sy ny namany. Raha fehezina dia hafana ny lanonana mandritra io alin’ny 21 Aprily ho avy izao io koa hanasana ireo mpankafy an’i Thierra Bruno rehetra. Tsiahivina moa fa anisan’ny mpanakanto tena be mpankafy indrindra i Thierra Bruno. Anisan’ny nahafantarana azy ny fahaizany milalao fihetsem-po tao anatin’ireo karazan-kira nohirainy sy noforoniny izay tantara marina sy niainan’ny manam-pitiavana rehetra ny ankamaroany.
Pati
Legende : Thierra Bruno tamin’ny fahatanorany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT