kolontsaina

The voice 2023 Sydney Ferrier no solontena malagasy


  • Talata 04 Aprily 2023

Sydney Ferrier, teratany malagasy zanak'Antsiranana ary monina ao Carcès, Frantsa,

indray no solontena malagasy mandritr’ilay fifaninanan-kira iraisampirenena The voice ho amin’ity taona 2023 ity. 37 taona ny lehilahy. Ilay hiran'i Demi Lovato mitondra ny lohateny hoe "Anyone" no nentiny nambabo ny fon'ny mpitsara nandritry ny dingana savaranonando na “Audition à l'aveugle”. Mpitsara miisa 3 no resy lahatra tamin'ny feo mangan'ny lehilahy. I Big Flo sy Oli kosa no nofidiany hiaraha-miasa mandritry ny fifaninanan. Natolotr'i Sydney Ferrier ho an'ny reniny ihany koa ity hira nohirainy voalohany tao amin'ny The voice ity raha ny nambarany. Ny reniny izay niady irery, nitaiza azy 4 mianadahy mpiray tampo, hoy hatrany izy, rehefa nisaraka ny ray aman-dreninay, efa taona maro izay no lasa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT