kolontsaina

THE JACKSON BOYS Hamelona ao am-pon’ny olona ny fitiavana an’i Michael Jackson


  • Alakamisy 28 Septambra 2017

hamelona any am-pon’ny tsirairay ny fitiavana an’i Michael Jackson ilay mpanjakan’ny mozika Pop nodimandry ny taona 2009 ny tarika The Jackson Boys.

 

Tarika iray vao niforona manana tanjona  Enina mirahalahy izy ireo no mandrafitra ny tarika ka ny iray dia tena mitana ny anjara toeran’i Michael Jackson, fony ity farany mbola velona mihitsy toy ny fiangaliana ny hira sady mandihy. Ny taona 2010 no niorina ny tarika. Nandritra izay fito taona nijoroany izay dia tsy nitsahatra nitady ireo fomba hahafahana mampita ny hafatra tian’i Michael Jackson hampirona amin’ny rehetra ny tarika mba hipaka any anatin’ny tsirairay. Hasehon’izy ireo amin’ny alalan’ny fampisehoana lehibe hotanterahina ny 07 oktobra  ho avy izao etsy amin’ny tranompokonolona Analakely izany, iarahany amin’ny fikambanana  BeeZ’art.  Tsy fandikana ny hirany fotsiny no hatao amin’io fa hasongadina ihany koa ny maha Michael Jackson azy izay tsy mbola nisy mpanakanto nahavita ny vitany mandraka ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT