kolontsaina

Tezitra amin’ny Kopikole-ny ry Wada sy Yoongs “Ahita raharaha, hihinana ny tsy fihinana ialahy isany”


  • Alatsinainy 28 Novambra 2022

Tratra nanao fampisehoana tsy nahazoana alalana avy amin'ny tena tompon'ny hira ny Kopikole Wada & Yoongs. Tezitra mafy i Wada & Yoongs tena izy amin'ny fihetsik'ireto Kopikole ireto,

nanao fampisehoana antsokosoko nisy fidim-pidirana 6.000 Ar, ka dia nampita hafatra ho azy ireo niainga avy any Frantsa satria mbola manao fampisehoana any izy ireo ankehitriny. Milaza hitory ireo tovolahy ary tsy misy hidiran'ny OMDA izay mpiaro ny zon’ny mpamorona, hoy ireto farany fa aferan-dehilahy. “Tratranay ianareo nanao fampisehoana nisy vidim-pidirana kanefa dia efa nanaiky sy nanome toky izao fa tsy hampiasa sy hitady vola amin'ilay anarana aorian'ny fahavitan'ny fifaninana. Ahita raharaha ialahy isany”, hoy izy ireo tamin’ny alalan’ny horonan-tsary. Nangataka amin’ny Filoha Tale Jeneralin’ilay fahitalavitra nikarakara ny lalao ny tsy andefasana ireo kopikole-ny any Dubaï moa Wada& Yoongs. Tsara marihina fa ny fandehanana any Dubaï Dia isan'ny loka azon'izy ireo tamin'ny fandrombahana ny amboaran’ny Kopikole. Teo ny maha lalao azy, fa misy ihany koa ny olona no maneho fa lasa mivadika ho halatra sy hosoka amin’ny sangan’asany hafa ilay izy, ankoatran’ny endrika politika hita taratra. Manomboka misy ireo mpanakanto sosotra sy tezitra raha tarafina amin’itony zavatra miseho itony. Hatramin’ny Filoham-pirenena moa nisy nanao dika mitovy, ary noraisina toy ny olo-manankaja nampiasana fitaovam-panjakana izay tena tena niteraka kiana sy adihevitra be.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT