kolontsaina

Tetikasan’i Jesosy Kristy ho an’izao tontolo izao Hanampy betsaka amin’ny fampiharana ny fahamarinana ny ISPPS


  • Alatsinainy 26 Jolay 2021

Ankoatra ny maha-sekoly ambony tsy miankina ny ISPPS tarihin-dRamahirana Gerard dia miezaka ihany koa izy ireo amin’izao fotoana mitory sy manaparitaka ny ambaindahin’ny ny

 filazantsara amin’ny alalan’ny sampana velona misy eo anivon’ny sekoly hivondronana tanora maro. Mahatsapa mantsy izy ireo fa latsaka an-katerena ny firenena ankehitriny. Betsaka ireo olona sahirana tsy mahita izay lalan-kombany intsony ka mila fanohanana. Amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny fahamarinana ho an’ny isam-baravarana ihany hoy Dadatoa Gerard mpanompon’Andriamanitra no sady tompon’ity sekoly ity no hahafahana manatanteraka izany. Miantso ny fiombonan’ireo fiangonana zandriny rehetra araka izany ny tenany mba hifanohana sy hifanome tanana amin’ny Fitondram-panjakana hahafahana manatanteraka izany. Anisan’ny firenena tena manan-karena Madagasikara hoy izy ary azo lazaina ho niangaran’Andriamanitra nefa mbola marobe ireo mponina ao aminy no sahirana. Tanjon’ny dadatoa Gerard moa ny mba hahafahana mampanjaka feno ny fahamarinana eto amin’ny tany sy ny firenena ialana amin’ireo fahaloavana tsy tambo isaina amin’ny lafiny rehetra.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT