kolontsaina

Tetikasa Zavamanitra Tontosa tao Fandriana ny “Soa Ifampizarana”


  • Alarobia 23 Janoary 2019

Tontosa ny talata 22 janoary 2019 ny fampahalalana ny “Soa Ifampizarana”, tetikasa iray izay ao anatin'ny “Tetikasa Zavamanitra”, any amin'ny Distrika Fandriana.

 

 

 Miompana amina lafin-javatra goavana roa ny Soa Ifampizarana, ka voalohany amin’izany ny fampiofanana amin'ny fandraharahana sy ny fahaiza-mitantana. Faharoa kosa ny fifaninanana tetikasa madinika. Hampivoatra ny tontolo ambanivohitra sy fampirisihana ireo tanora ho tia karokaroka ary hanana ilay finiavana hanangana orinasa madinika sy salatsalany no tanjona lehibe. Ampiana izy ireo ary arahina tan-tsoroka amin'ny fanatanterahana sy fananganana ny asa kasain'izy ireo atao. Malalaka ny fandraisan’anjaran’ny olona rehetra ao anatin'ny Distrikan’i Fandriana maniry ny hisitraka ny fampiofanana arahina famadihana azy ho asa sy fihariana. Maro ireo dingana sy asa efa natao tao anatin’ny tetikasa, toy ny famatsiana akoho entina miary, ny fanohanana ny fanatanjahantena, ny fanampiana ny tanora,... ary nahitana fahombiazana. Ny loka ho azo amin'izao dingana manaraka izao dia famatsiam-bola entina manatanteraka ny tetikasa. Natao izany ho fampandrosoana ny distrika eto Fandriana, hoy ny mpikarakara. Mba ho valimbabena satria narahina fanomezana solombodiakoho ho an'ireo raiamandreny, niampy fiaraha-misakafo ny hetsika. Nahazo tso-drano tamin’ireo Raiamandreny tao an-toerana nandritra ity hetsika ity moa Atoa Zafimanitra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT