kolontsaina

Tetikasa “Start up” an’ny Kentia Holding Tanora 4 hiatrika ny dingana famaranana


  • Alakamisy 30 Martsa 2017

Tonga eo amin’ny dingana famaranana ankehitriny ilay tetikasa Start up entina hanandrana sy hanohanana ireo tanora Malagasy manana orinasa vao nitsangana tao anatin’ny dimy taona, nokarakarain’ny Kentia Holding.

 

 Raha 21 no voafantina tao anatin’ny dingana manasa-dalana dia efatra sisa izy ireo no hiatrika ny dingana famaranana rahampitso zoma, lanonana hotanterahina etsy amin’ny Kudeta Carlton Anosy. Hampiavaka ny lanonana ny fametrahana fanontaniana mahakasika ny fandraharahana amin’ireo mpandraharaha efatra ireo eny ambonin’ny kianja fanaovana ady totohondry saingy tsy tanana no miasa fa ny saina. Anisan’izany ny famalian’izy ireo mivantana ny mpitsara ny vola ilainy raha hanatanteraka tetikasa goavana iray izy, ny fomba hanitarany izany, ny mety ho fiantraikan’ilay tetikasa hahafahana mampandroso ny asa fihariana eto amintsika … Tanjona ny hahafahana manampy ireo mpandraharaha Malagasy tena havanana amin’izany. Amin’ity indray mitoraka ity dia any Singapour no toerana handefasan’ny Kentia Holding izay tsara vintana indrindra, hiantohana avokoa ny lany rehetra hahafahan’itsy voalohany mifandray amin’ireo mpamatsy vola vahiny. Tsiahivina moa fa nahatratra 500.000 $ ny vola azon’ilay mpandraharaha mendrika indrindra tamin’ity fifaninanana ity tamin’ny taon-dasa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana KaratĂ©
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT