kolontsaina

Tetikasa Miz’art Hampiroborobo ny zava-kanto ho an’ny olona rehetra


  • Alakamisy 13 Septambra 2018

Nampahafantarina omaly alarobia 12 septambra tetsy amin’ny Art’s Galerie Ampasanimalo ny fisian’ny tetikasa miz’art ataon’ny fikambanan’ny mpanakanto mivondrona ao amin’ny La Teinturerie.

 Tanjona ny hampandrosoana haingana ny zava-kanto ary hisitrahan’ny olona rehetra ny kanto izay misehatra amin’izany. Amin’ity tetikasa ity dia misy ny ezaka ho fanatsarana ny tanàna satria asaina hametraka sy hampiranty ny zava-kantony eny amin’ny rindrina nahazoana alalana ireo mpanakanto. Eo ihany koa ny fametrahana sary na sary sokitra na sary vongana eny amin’ireny zaridaina natokana ho an’ny rehetra ireny. Mampiavaka ity tetikasa ity ihany koa ny fampianarana zava-kanto ho an’ny ankizy marefo satria iaraha-mahalala ny tsy fahampian’izany eto Madagasikara. Rehefa izay dia ireto farany indray no haneho ho hita maso ny zava-kanto ataony aorian’ny fampianarana raisiny. Ankoatra izay, manokatra sehatra fialamboly ho an’ny ankizy etsy amin’ny Art’s Galerie isaky ny sabotsy hariva ny mpikarakara ary hisy hatrany ny famelabelarana ataon’ny manampahaizana isaky ny alarobia hariva. Ho an’ireo mpihira kosa dia hisy ny fanokafana toerana handraisam-peo ahafahany mamokatra ny rakikirany. Ilaina hatrany ny tetikasa sahala amin’itony satria misedra olana hatrany ny mpanakanto, indrindra ireo mpanao sary tahaka ny tsy fahampiana ara-bola sy ara-pitaovana ary ny tsy fahafantaran’ny olona ny maha zava-dehibe ny kanton’izy ireo.

Tsirinasolo

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT