Tetikasa fiarovana ny harembakoka

Misitraka fanohanan’ny “Sultanat d’Oman” i Madagasikara


  • Alarobia 30 Aogositra 2023

Harembakoka 96 isa hatreto, izany hoe 53 ara-kolontsaina, 38 voajanahary, 5 zava-naorina mifangaro no voasoratra

ao amin'ny lisitry ny harembakoka iombonan’izao tontolo izao, raha ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny sampan’ny UNESCO eto Madagasikara omaly. Eto amin’ny faritr’i Afrika anefa dia mbola tsy misongadina loatra ny fisin’ireo harembakoka iombonan’izao tontolo izao satria latsaky ny 9% amin’ny harena maneran-tany ihany no eto Afrika. 48% ny any Eoropa, 24% any amin'ny faritra Azia-Pasifika. Araka ny fanadihadian’ny UNESCO dia raha ny ny faritra Afrika atsinanana fotsiny no raisina dia ahitana firenena maro nanao sonia ary mampihatra ny fifanarahana mahakasika ny fiarovana ny harembakoka ara-kolontsaina sy ara-boajanahary tamin’ny 1972 (convention de 1972). Anisan’ireo firenena ireo i Kaomoro, Madagasikara, Kenya, ny Repoblikan'i Tanzania ary Somalia. Manana harena ara-kolontsaina sy ara-boajanahary miisa 34 ao anatin’ny lisitry ny harembakoka iombonan’izao tontolo izao ny faritr’i Afrika atsinanana ka ny 3 amin’ireo dia hita eto Madagasikara. Zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ireo mpiara-miombon’antoka fa indrindra ny fametrahana sampan-draharaha manokana misahana ny fikarohana ara-tsiansa sy ireo lafiny tekinika momba ny fikajiana sy fandraisana fepetra mikasika ny anjara asan’izany eo amin'ny fiainana andavan'andron’ny fiarahamonina toy ny komitim-pirenena misahana ny vakoka na CNP izay efa nisy teto Madagasikara. Ny Repoblikan’i Madagasikara dia nanaiky ny fifanarahana momba ny fiarovana ny harembakoka ara- kolontsaina sy ara-boajanahary iombonan’izao tontolo izao ny 16 novambra 1972, taorian’ny fametrahana ny fitaovam-pankatoavana io fifanarahana io, araka ny lalàna laharana 82-040 tamin’ny 9 desambra 1982. Amin'ny maha mpiahy ny fifanarahana momba ny fiarovana ny harembakoka ara-kolontsaina sy ara-boajanahary azy, dia manome sehatra maneran-tany ho fiarovana sy fikajiana ny harembakoka ara-kolontsaina sy ara-boajanahary ny UNESCO. Amin’izany dia maro ny tetik’asa entin’ny UNESCO entina hanohanana ireo firenena mpikambana ao aminy. Isan’ireo firenena misitraka ny tetikasa vatsian’ny “Sultanat d’Oman” na masoivohon’i Oman, ohatra, isika eto Madagasikara tamin’ity taona ity, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT