Teny vahiny sy tekinolojia

«Tsy afa-misaraka amintsika intsony»


  • Alatsinainy 17 Martsa 2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo tetsy Andavamamba ny MTCM na

Multi-traing center Madagascar», izay ivontoerana fianarana teny vahiny sy informatika ary ny mikasika fikirakiràna tekinolojia toy ny «bureautique» sy «développement web» ho an’ny sokajin-taona samihafa. Nisy, noho izany, ny fizaràna mari-pahaizana sy fankasitrahana ho an’ireo nahavita fiofanana tao anatin’izay herintaona nitsanganan’ny ivontoerana izay. Ny ankizy afaka mibadabada amin’ny teny vahiny dia efa afaka mahazo fiofanana ato, hoy ny talen’ny fampiofanana, Faneva Nasandratra Nathanaël Rakotonindriana. Ny ankizy manomboka mikitikitika informatika, izany hoe, eo amin’ny faha 8 taonany eo dia efa afaka mahazo fiofanana momba izany ihany koa, hoy izy. Maromaro moa izay notolorana mari-pahaizana na «attestation» izay. Tsy afa-misaraka amintsika intsony ny teny vahiny sy tekinolojia satria ny ankamaroan’ny asa rehetra amin’izao fotoana izao dia saika ilàna fifandraisana iraisampirenena avokoa, izany hoe, mila fahaizana teny vahiny. Ny tekinolojia ihany koa efa miroborobo be, hoy hatrany ny fanazavàny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT