TENY MALAGASY

Azo atao apinga ho enti-mampandroso ny firenena


  • Talata 03 Jona 2025

Tontosa omaly 2 jona 2025 tetsy amin’ny Akademia Malagasy ny lanonam-panokafana

ny iray volan’ny teny Malagasy 2025. Zava-dehibe ny nanokanana ny volana Jona ho iray volan’ny teny Malagasy, hoy ny Profesora Désiré RAMAKAVELO. Ny teny Reny izay mamolavola olombelona, tolo-tsaina, toe-po, toe-panahy. Ny toe-java-misy amin’izao fotoana anefa dia manaporofo fa tsy voavolavola anatin’ny tenin’ny Reny isika. Fanambaniana antsika ohatra raha ny fanazavany ny fametrahana ny hoe rehefa tsy mahay teny vahiny dia tsy tafiditra amin’ny sehatry ny asa. Ny Malagasy izay nomarohany fa isany olona manana saina maranitra. Eo ihany koa ny tsy fanomezan-danja ireo manam-pahaizana Malagasy. Tokony hanao ny ezaka ny mpitondra Malagasy ny hametraka amin’ny toerany ny hasin’ny teny Malagasy sy ny maha-malagasy antsika. Mila manao ezaka maka ny toerany ihany koa ny tanora. Ho an’ny Akademia Malagasy manokana dia hetsika maro no entina manamarika izany raha ny fanazavan’ny Dr Rabenalisoa Ravalitera Jean. Hetsika izay natao indrindra hanairana sy hamoahana indray ny ambompontsika Malagasy ary hitondrana ny loha-hevitra : « ny teny Malagasy enti-mahatsangy ny fiainam-pirenena mahaleo tena ».
LALAINA RAV
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT