TENY GASY

Tsy mila ny HCC dia mahalala fa sady tsy fomba, no tsy fahendrena ary tsy manaja ny Malagasy


  • Alarobia 23 Aogositra 2023

Hafa ny «droit civil» sy «droit pénal», samy nananantsika voambolana efa hatramin’ny taonjato faha-19 : jereo ohatra amin’izany ny «Dimiventisitelonjato»,

ilay fehezan-dalàna nivoaka tamin’ny 29 martsa 1881. Ny «droit administratif» sy ny «droit constitutionnel» no manahirana raha adika amin’ny teny malagasy : hatramin’ny taona 1959, isaky ny misy fitanisàna izay voalazan’ny Lalam-panorenana, tsy mbola nisy ka avy hatrany hoe ny dika-teny malagasy no jerena, fa ilay dika-teny frantsay hatrany no mahavantana. Ny fianianana ihany rahateo no mba amin’ny teny malagasy, na amin’ny dika-teny itsy na iroa.

Ho resabe indray ny Arrêt n°04-HCC/AR tamin’ny 22 aogositra 2023. Raha fintinina tsotsotra dia hoy ny HCC (Haute Cour Constitutionnelle), Fitsarana Avo Momba ny Lalam-panorenana : tsy manan-jo hitsara sy hiteny ny HCC hoe very ny zom-pirenen’i Andry Rajoelina ; tara loatra ny fangatahana hanafoana ny filatsahan’i Andry Rajoelina ho fidiana tamin’ny 2018.

Raha ny ahiahy tsy ihavanana manodidina ny HCC, dia tsy maintsy ho voasoketa indray ity Fitsarana ity. Efa hatramin’izay naha HCC ny HCC izany, ny HCC amin’ny endriny ankehitriny izay voafaritry ny andininy faha-114 ao amin’ny Lalam-panorenana tamin’ny 2010 tahaka izao : «Misy mpikambana sivy ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Ny fe-potoana iasany dia fito taona tsy azo havaozina. Mpikambana telo amin’izy ireo no tendren’ny Filohan’ny Repoblika, roa fidin’ny Antenimierampirenena, roa fidin’ny Antenimierandoholona, ary roa fidin’ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara».

Raha ny fahatokisana, kely dia kely, afaka omena ny Antenimiera roa tonta, dia ho tsotra ihany koa ny fitsaram-bahoaka : mpikambana fito amin’ny sivy no olon’ny fitondrana ankehitriny. Ny tsy fahatokisana ny Antenimiera moa dia tsy inona fa noho ny toetra sy fomba fanaon’ireo mpikambana ao aminy ihany, na dia tsy izy rehetra aza, saingy ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto ira tandroka.

Raha ny tena marina, tsy ny lafiny lalàna akory anie no tokony hitsarana an’i Andry Rajoelina ho mbola manana na tsia ny zom-pirenena Malagasy, fa ny lafiny ara-panahy. Ahoana moa no tokony hiheverana Filohan’ny firenena iray anefa mangataka zom-pirenena hafa : fomba ve izany, fahendrena ve izany, fanajana ve izany ? Tsy mila ny HCC isika dia mahalala, ary indrindra mahatsapa, fa sady tsy fomba izany, no tsy fahendrena ary indrindra tsy manaja ny Malagasy.

VANF

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT