kolontsaina

TENY GASY Tondroy molotra, ho afa-baraka, izay tompon’andraikitra mpamosavy


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Madagasikara, Nosy anivon’ny riaka : ilay ranomasina hadivory fahiny, lasa sisin-tany 5000 kilometatra sarotra arovana, tsy hita ho voafefy tamboho. Maro ireo tafiditra antsokosoko, firifiry ihany koa ireo tafandositra antsokosoko.

Tsy ampy fitaovana ny Fanjakana malagasy, hanara-maso sy hiaro ny sisin-tanin’i Madagasikara. Safidy tsy natao, hatrany am-boalohany, ka na Tafika an-dranomasina, tokony ho fitaovana voalohany, tandroka aron’ny vozon’izany hoe Nosy aza, tsy misy.

Izao taona 2022 izao, raha misy tafika vahiny manani-bohitra eto, dia ho tahaka izay niseho tamin’ny 1894-1895 ihany : hitazam-potsiny isika, satria tsy nivonona amin’ny fitaovana sy ny olona fa indrindra ny politika ankapobe.

Tamin’ny andron’ny Repoblika sosialista, 1975-1991, impiry moa tsy nandrenesana hoe «mercenaire» Afrikana tatsimo tafiditra hitsikilo sa hanongam-panjakana teto. Ireny raharaha politika 1991, 2002, 2009, ireny kosa no nampibaribary fa rehefa tampin-dalan-kaleha etsy amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato, tora-pasika lava misy hisintahana tsy ankiteniteny ny 5000 kilometatra sisin-dranomasin’i Madagasikara.

Firy izay «IST» (interdiction de sortie du territoire) anaran-tsy very fotsiny izay. Raha toa moa ka tsy namono olona, tsy nangalatra volam-bahoaka, tsy nahavanon-doza : vitan’ny «tantara mitohy» somary maneso ireo tokony hanao andrimaso ny sisin-tany. Fa, raha sanatria kosa ka olon-tsy vanona, tokony efa navela hiaran’ny fitsaram-bahoaka (indrindra fa nofoanan’ny Antenimiera ny fanamelohana ho faty), no tafaporitsaka, tsy misy ompa razana sy ozona mahery afaka hampitony ny alahelo sy ny hatezerana.

Sisin-tany efa kilometatra maro tsy ampy mpanara-maso, manginy fotsiny ny tsikombakomba arahin-kolikoly. Ka raha mpamono olona, mpanao an-keriny, nahavanona habibiana, no ho ampandosirina, ary indrindra tafandositra, tafandositra ny fitsarana masiaka hany sahaza azy, tondroy molotra ho afa-baraka imason’ny mpiara-belona ary rarao tsy azo aiditra am-pasan-drazany, izay tompon’andraikitra mpamosavy nitazam-potsiny na nanome tanana.

VANF

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT