kolontsaina

TENY GASY Tompon’ny taona telo arivo


  • Alakamisy 23 Jona 2022

Isan-taona izao, manafintohina ny maheno fa misy tambin-karaman’ireo Mpampianatra nitsara ny CEPE tsy voaloa. Efa an-taona maro.

Mifanindran-dalana anatin’ny vanim-potoana ririnina moa ny fanadinana CEPE sy ny matson’ny 26 jona etsy Mahamasina. Volabe no lany amin’ny matson’ny Tafika sy ny afon-danitra hampifalifaliana ny maso sy hanarian-dia ny sain’ny vahoaka. Etsy andaniny, tambin-karama variraiveny mbola tsy omena ihany ny Mpampianatra. Ireo sary roa ireo dia efa mahafehy ny zava-misy sy ny «vina» ho an’i Madagasikara.

Ny CEPE no fanadinam-panjakana voalohany atrehin’ny zaza Malagasy manerana ny Nosy. Marobe (546.365 tamin’ny 2021, 525.111 ity taona 2022 ity) ny mpianatra no misoratra anarana amin’ny CEPE. Ny ampahatelony amin’ireo ihany no ho tonga any amin’ny bakalorea (196.024 tamin’ny 2021). Inona anefa no asa azo andrandraina raha CEPE fotsiny no mari-pahaizana ?

Izay ilay fanovana nokasain’ireo Lalàna roa sosona (2004-004 tamin’ny 26.07.2004 sy 2008-011 tamin’ny 17.07.2008) : hanome fanabeazana fototra feno mandritra ny SIVY taona (2004) na FOLO taona (2008), ka ny zaza (14-15 taona) tsy afaka hanohy hatrany amin’ny bakalorea dia hanana ny fahalalana ampy ho fitaovana mahomby hiatrehana ny fiainana.

Amin’ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara, sesehena ny antony mety tsy hanohizan’ny mpianatra iray ny fianarany. Isan’ny matetika indrindra dia ny fahasahiranan’ny raiamandreny hiantoka ny kely indrindra izay tsy raisin’ny Fanjakana an-tanana akory, amin’ny fametrahana vatsim-pianarana dieny Fanabeazana Fototra.

Fanabeazana sy Fampianarana no antoka mahatoky indrindra ny ho avin’ny firenena iray. Tsy omena hasina sahady anefa ny Mpampianatra : vao hitsara ny CEPE, na mpampianatra eny amin’ny Oniversite. Tsy nitsahatra namono tena isika tao anatin’izay efapolo na dimampolo taona farany izay. Tsy maintsy hisy «tompon’ny taona telo arivo», fa asa raha mbola isika Malagasy ihany no ho tompony eto an-Tanindrazana.

VANF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT