kolontsaina

TENY GASY Tapa-tadi-patorana


  • Zoma 23 Jona 2023

Tapaka : tarangana mizara roa ; resaka haato noho ny fisalovanan’ny hafa **Tady : kofehy amatorana

Fatorana : fangiazana amin’ny kofehy

Mahalasa saina ny zavatra mitranga. Toa sahy atao avokoa izay danin’ny kibo. Tsy tahotra intsony, tsy henatra mihitsy. Anaran’ny Rovan’Antananarivo ovaina. Tokotanin’i Rova volena kianja tsy ara-tantara rehefa avy notrongisina ny vatofototry ny Lapa Masoandro, izay nalatsak’i Ranavalona III, Andriamanjaka sady taranak’ireo ao amin’ny Fitomiandalana.

Sandohana ny teny, savihina ny jaky. Fahiny, nitafy jaky imason’ny tompony izany, na nielo mena manoloana Ny Andriana, sangy ratsy naha voaheloka ho faty.

Tapaka ny tady. Inona avy daholo ny oha-pitenena haintsika : «soavaly tapa-kofehy», «omby nihoatra vala», «amboa nivaha fatorana».

Oha-pitenana hafa : «adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body». Eo indrindra isika no manaja tena : fahendrena toa raisin’ny sasany ho fahalemena. Hoe ady amin’adala ka aleo tsy manala-barà-tena fa mihaja ho ankibe mihataka ho olon-dehibe.

Mbola oha-pitenena ihany : «mivadika ondrana», «manala ondrana». Misy kely, misy indro kely, misy indro ngezabe.

VANF

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT