kolontsaina

TENY GASY Tamin’ny andronay, tsy nisy an’izany


  • Alarobia 25 Mey 2022

Rehefa miresaka amin-janako (19 sy 16 taona) aho dia matetika mahateny hoe «Ka tamin’ny andronay, tsy nisy an’izany». Ilay «andronay» resahako amin’io, ny taona 1980-1990, nitovizako «génération» aminy ankehitriny.

Mihomehy maneso mantsy ny ankizy hoe «inona no mba nisy» tamin’ny andronay. Tsy nahay izany «céréales» izany sakafo maraina. Tsy nihinana «La vache qui rit» isan’andro. Nisy tokoa fotoana, «krizy» sa «sosialisma» (tao anaty Boky Mena) sa «krizy noho ny sosialisma», na dibera aza tsy nisy teto. «Chocolat» sy «corned beef» (Sevima) izany, ohatran’ny tsaroako hoe hafakely haingitraingitra.

Ny akoho tamin’izany, tsy fen’akoho vidiana eny amin’ny «grandes surfaces», fa safidiana velona eny an-tsena ary tapahin-doha sy volosana ao an-trano (bitro ary moa vitan’i Papanay toy izany teo imasoko). Inona no tsy efa natonotono nandrakandramana : valala, halabe, voangory... «Beurk» hoy ny ankizy ankehitriny...

Nandrehitra afon-tsaribò tamin’ny fatapera (tsy azony maninona aho no nividy tampoka fatapera tanimanga tany Ankazobe). Nitsimpona sy nanofa vary (inona moa izany sahafa ?). Rehefa tsy misy sira vovony dia nahay mitoto sira vaingany amin’ny tavoahangy.

Tsy nisy inona tokoa moa, tamin’izany ? Tsy nisy televiziona maro isafidianana ary samy mandeha 24/24 : Radio Televiziona Malagasy tokana dia tokana, manomboka harivariva mbola voabahan’ny kabarin’ny Filoha hajaina adin’ny roa. Tsy nisy Canalsat, tsy nisy Netflix. Nahavatra nisoratra anarana tamin’ny CCAC (Centre Culturel Albert Camus) dia mandany andro manontolo ao, mamaky boky fotsiny. Fa toa mba nahatety firenena maro an’eritreritra ihany anefa.

Tsy nisy «délestage» kosa tamin’ny andronay, saingy tsy maintsy mamono jiro rehefa tsy misy «Ligue des Champions» na «Documentaire» na «Film» ho jerena moa. Hany ka afaka mbola mihaino «Maîtres du mystère» na «Tribune de l’Histoire» tantarain’Ingahy Alain Decaux.

Tsy nisy «embouteillages» ihany koa tamin’ny andronay, dia afaka nody nisakafo antoandro mba hihaino «Tantara mitohy», nahatadidiavana ny feon-dry Vahandanitra, Solofo José... Rehefa alakamisy tolakandro, andro tsy fianarana, manao fotoana amin’ny «Indray andro hono, Rankizy», notontosain-dRamatoa Éléonore Rasolofomanana.

Izahay angamba no taranaka farany tsy dia mbola nifankaiza loatra tamin’izay niainan’ny raiamandreny teraka 1930-1950 ny zava-nisy andavanandro. Asa, ny ankizy ankehitriny, rehefa ho tonga raiamandreny, hanan-ko tantaraina inona amin’ny zanany, ka tsy fahita mampihomehy mampalahelo. Na mahagaga.

VANF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT