kolontsaina

TENY GASY «Station-service» : sivilizasion’ny tany lavitra Andriana


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Ny fisokafan’ny «station service» dia endriky ny «civilisation» amin’ny toerana ivelan’ny Renivohitra sy Renivohi-paritany. Indrindra manjohy ireny Lalam-pirenena ireny.

Satria tsy «station d’essence» fotsiny intsony ny «station-service» dia, ankoatra ny solika (Anjozorobe, tapin-dalan’ny Lalampirenena faha-3, tsy mbola nisy «Solima» fony aho mbola kely, ka mandrak’ity ny androany), ahitana «DAB» (distributeur automatique de banque), misy «Shop» na «Boutique» karazana «Supermarché» kely fa tsy ireny «épicerie» madinika ambanivohitra ireny. Ary, indrindra indrindra, manana «WC» toerana fivoahana, mba tsy handitsahana amin’izao vody hazo rehetra izao, tahaka ny alika.

Ny lafiny fananan-tany, ny resaka fitsinjovana ny «alimentation générale» efa teo an-toerana, ny karazan’entana amidy amin’ireny Jovena, Galana, Shell sy Total ireny mbamin’ny ny fomba nanafarana sy nanomezana alalana ny entana hiditra eto Madagasikara, aleo ho anton-dahatsoratra hafa manaraka. Androany, hifantoka vetivety amin’ny «civilisation».

Na Ambatolaona, na Ankazobe (mandra-piandry ny eo Mahatsinjo), na Ambatolampy, na Talata-Volonondry (mandra-piandry an’Andriampamaky hampitohy amin’i Carion) : tsilo manazava ny alina any amin’ny tany lavitra andriana ny «station-service». Efa ela no tsy vitan’ny Fanjakana intsony ny mampandeha ny jiron’arabe, hany ka mihiratra ny maso sy ny saina vao manatona ny jirobe omen’ny «station-service».

Inona moa ilay hoe «civilisation» ? Tsy matory miaraka amin’ny akoho, mba mahita izay fahitan’ny olona maneran-tany. Zavatra tsotsotra tsy dia mila voatsiary : «Magnum», «Magazine», «Espresso», «Delikatessen», «Gadgets»...

Mandray anjara amin’ny «fanapariahana» na hoe «décentralisation» ny «station-service». Adinon’ny Fanjakana anefa no mandray ny andraikiny, mamaritra sy mametra, hany ka ny orinasa tsy miankina no misalovana manontolo arak’izay tombontsoany ihany.

(hitohy)

VANF

 

 



 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT