kolontsaina

TENY GASY Repoblika Malagasy : Filoha ambony fahantrana


  • Alatsinainy 05 Jona 2023

Mahantra ny olona. Andro alahady, nandalo ny tetezan'Ampasika. Tsy misy "andro fitsaharana" tokoa raha ny hanina anio, fitady androtr'io.

Hatrany Itaosy, tsena kely ladina an-tany mitandahatra ambony "trottoir". Voankazo, akoho, gana, kilalao "Made in China", vary an-tsobika, "petits pois"-tsaramaso-voanjobory amin'ny sahafa, voamanga amin'ny toko, garaba, "papier cadeau", "clés" efa tonta, "tournevis" efa niasa, vahona sy raokandro, sila-kitay, lelan'angady...
Mandinika ny bilao sy visy amidin'ilay Rangahy iray aho dia lasa saina : isa-maraina izany ireo alahatra tsirairay, ahorona tahaka izay ihany koa isan-kariva. Mahalafo ihany ve izy sa mba fanariana dia tsy hipetra-potsiny ao an-trano ?
Tahaka ireo olona mampanofa "balance" : tena sarotiny amin'ny IMC ("indice de masse corporelle") tokoa ve ny mpandalo ka dia hilanja an-dalambe ?
Ireo tsena voatanisa ireo dia an'olon-tokana ombieny ombieny. Mivarotra ho velona, sa velona hivarobarotra ? Sanatria fanesoana izany, fa tena ahiahy miharo alahelo : firifiry izany ny Malagasy manokona tsenakely tahaka izao mba ho hitan'ny fiaraha-monina, mba ho isan'ny fiaraha-monina ?
Ny "friperies" moa hita hatraiza hatraiza, na dia hoe mba tsena manokana Pentekosta aza. Etsy Mahamasina aza, tsena alakamisy, toerana fahitana hatramin'izay ny tsenan'ny tantsaha, bahanan'ny akanjo efa nifandimbiasana sy kiraro tonta. Aleoko indray ny mpanao asa-tanana, mpanamboatra ny simba : "kapa, kiraro, poketra".
Avahako ny mpivarotra mofo gasy sy ramanonaka ary menakely, avahako ny mpivaro-kena : ny an'ireny tena mandeha ny varotra. Saika ho ataoko hoe "tena tsena" ny azy. Gagagaga ihany aho nahita "bijouterie" sy "coiffure" nivoha alahady. Misy mpanontany ihany koa angamba ireo "quincaillerie" ho an'ny "scooter" mameno arabe. Azo antoka ve fa tsy hanary an-dalana raha mandalo ny "Atelier Modeste : réparation batterie" ?
Hitan'ny mpitondra akory ve izao tsenan'ny mahantra izao ? Tsy amin'iny lalana iny ihany, fa hatraiza hatraiza. Mamorona tsena, mitady fivelomana. Mahari-pery ny Gasy. Tsy manantena intsony ireo mpitondra tsy menatra akory manana vahoaka fadiranovana.

VANF

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT