kolontsaina

TENY GASY Rafandrana : mpanjakan’Antananarivo fahagola ?


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Rabodonandrianampoina Atsimon’Ambatondrafandrana Avaratr’Ambohimitsimbina Andrefan’Imandroseza Atsinanan’Ambohijanahary

Isaky ny miresaka an’Antananarivo, dia Andrianjaka hatrany no mby an-tsaina voalohany. Nitondra anarana hafa anefa taloha io trafo vatolampy toa nasondrotry ny heniheny manodidina azy io. Saika ho nosy raha tsy nisy ny tetezan-tany mandraikitra azy amin’i Faravohitra andaniny avaratra, ary Isotry (Ambodin’Isotry no diso anarana hoe Isotry ankehitriny), ankilany andrefana. Saika adinoko ny fifanohizan-takibany amin’Ambohijanahary na dia nohantsinana hisy hadilanana (very fanonona hoe Ankadi-lalana).

Ankoatra ny Rovan’Antananarivo sy ireo toerana hafa mamaritra iny Tanàna-Ambony iny (Imarivolanitra, Andohalo, Itsimihatsaka, Ankaditapaka, Ambohimitsimbina - sa Ambohimi-tsingina noho izy tendrony avo indrindra eny ambony eny ?) dia toerana roa ihany no misalotra anaran’olona : Amparihin-dRasahala sy Ambatond-dRafandrana. Andriamifidy, Ministra faha-Mpanjaka vao lasa mpitandrina tao Ambonin’Ampamarinana, dia nanatsidika hoe «Ambaton’i Behavanja» no lasa Ambatobevanja : saingy tsy misy mahatadidy izany Rabehavanja izany intsony mihitsy.

Raha fantatra kosa hoe isan’ireo vadin’Andrianampoinimerina i Rasahala dia verivery ny tantara mikasika an-dRafandrana.

Andrianizinizina, Andrianalinalina, Andrianerinerina, Andrianahitrahitra, Andriananjavonjavona, Andrianamponga, Andriandranolava, Andrianamboniravina, Andriampandrana : araka ny lovantsofina iray (fa maro ary mety mifandimpatra ny lovantsofina) dia toy ireo no tetiarana.

Isan’ireny lovantsofina samy hafa fitadidy ireny ireto manaraka ireto : «Rafandramanenitra, vadin-dRafaramahery, teo Ambohimasimbola, niteraka an-dRangitamanjaka sy Ratsiseranina» (Tantara Ny Andriana, 9). «Andriampandrana, Andriandohafandrana, Andriampandramanenitra, Rafandrampohy, Rafandrandava. «Ary Rafandrandava niteraka an-dRangita sy Rafohy eroa Merimanjaka» (TA, 11).

Ny Tantara Ny Andriana, takila 9-10, dia mitanisa Andriana 41 ho an’Imerina ary 5 ho an’Imamo, ka ny 31 «Andriana nanoa», ny 10 «Andriana resy».

Andrianamponga, vadin-dRamananiambonitany, teo Fanongoavana
Rafandrandava, vadin-dRamanamihoatrambonitany, ao Ampandrana
Ramasindohafandrana, vadin-dRamanalimananambonitany, ao Ampandrana
Rafandrampohy, vadin-dRasoalimananambonitany, ao Ampandrana

Ankoatra an’Andrianamponga («Ary ny andriana no nanjaka kosa, Andrianamponga», TA, 8) sy ry Rafandrana mianaka mifandimby dia tsy misy nanana vady nisalotra anarana mifandraika amin’ny tany. Efa taonjato maro aty aoriana, vao nisy indray an’Andriantsimitoviaminandriana, vadin-dRaompanananiambonitanimandimby sy
Andriambelomasina, vadin-dRasoherimanananitany. Ao amin’ny TA, 375 dia ahitana ihany koa fa Rasolomanambonitany no vadin’Andriamasinavalona niterahany an’Andrianavalonimerina, izay nomena an’Ambohidrabiby.

Tsiahivina fa Andriamananitany, rain’Andrianamboninolona, no andriana farany «nanana-ni-tany». Notoindro-molotra ho «saonjo mihoatra akondro» moa izy ka dia nahilika hanjakan’Andriamanelo, rain’Andrianjaka.

VANF

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT