TENY GASY

Ny razantsika hendry


  • Zoma 01 Septambra 2023

Tantara efa lovan-tsofina izany hoe Andriamanjaka tsy hay anarina tsy hita atoro ka aongan’ny Loholona.

Andrianampoinimerina no nandova ny Fanjakana nesorina tamin’anadahin-dreniny ka hoy izy : «Tsy izaho no nioty manta, fa Ikaky no halam-bahoaka».

Matoa ny fitondran’Andrianampoinimerina mbola filamatra ho antsika roanjato taona aty aoriana dia noho ny fanajany ny fahendren-drazana hita soritra amin’ny OHABOLANA :

- Manaova soa ampentany, fa misy hiankinana ; manaova soa vato, fa misy hipetrahana
- Maizina ny andro, azo tsilovina ; lalina ny rano, azo lakanina ; lalina ny hady, azo toharina ; fa ny ratsy atao, tsy mba azon-kevitra
- Fo tezitra, tsy ananan-drariny
- Tsy nahin’ny sosoa no nitobaka, fa ny mpandoatra no vinitra
- Tezitra alohan’ny rariny ka tsy misy asiana ny hitsiny

Fiaraha-monin’ny kabary raha ny antsika, vao tonga ny soratra. Ka na ankehitriny aza, langolangoin’ny ohabolana sy hainteny ny kabary an-kianja vao mahazo akony amin’ny mpihaino. Ny vava rehetra natao omaly sy afak’omaly tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny vava mbola ifanaovana androany amin’ny adilahy politika, ny vavavava tsy voatandrin’ireo izay mitondra, nahitana ary mbola hahitan’ny firenena loza :

- Vava soa sakafo, teny ratsy adidy
- Ny kibo no be eritreri-dratsy, ka ny vava no mahazo loza
- Raha revom-potaka, rano no manala ; raha revon-tany, vava no manala

Mpifankatia tsy nifamarafara akory, fa maika fotsiny hanala an-dRatsiraka, maika fotsiny hanala an-dRavalomanana, maika fotsiny hanala an-dRajaonarimampianina. Lala-masaka omaly manjary tevan-kamono raha ny fomba fisainana teo amin’ny 13 mey : 1991, 2002, 2009, 2018.

Mandihy am-piringa toa vorondolo ny mpanongam-panjakana :

- Manome toky an-kamorana, ka manary an-kasarotana
- Sakay sy voamperifery ka samy mitondra ny ngidiny ho azy
- Toy ny tandindona : miaraka ihany fa tsy azo ho namana
- Manao kitapo hamelana lolom-po sy hadivory hasiana ny fitaka
- Manao fihavana-molotra, tezitra vao mifanatona

Taiza ny Andriana fa tsy Andriamanitra, ary fanompoana ny Fanjakana. Lolohavin’ny sasany sy lelafim-paladia anefa ny Filoham-pirenena nifanesy hatramin’izay ka tsy mahagaga raha «miantsambotsambotra toy ny vary kely an-daona». «Natao sanga ka nanakona ; natao tandroka ka nanoto ». «Akaiky mahatahotra, lavitra mahamanina». Sady ombilahy no mbola masiaka ka atao arahaba mamba sisa : tsy mba fitia fa tahotra.
Ny tena raharaha dia tsy manana mpanolo-tsaina hifandresen-dahatra ny Filoha voky «Eny Tompoko». Sambatra tokoa Andrianampoinimerina nanana an’i Hagamainty. Ny teny an-dapa tsy mba mahadiso ka tsy nisalasala Ihagamainty nanitsy ny mpanjaka mba tsy hanan-tsiny amin’ny fanorona vohana :

- Ataovy anatra imaso ifanatrehana, fa raha takona tonga fosa
- Ny volana imaso tsy mba kilema
- Aza be henatra imaso, fa be fosa ivoho

Impiry impiry moa ny Mpitondra mangidy hoditra no tsy tonga amin’ny hoe «ny hohavanina tsy misy, fa ny hiadiana betsaka». Anterina amin’izay rehetra mitondra, na mikasa hitondra, satria iankinan’ain’ny firenena fa :

- Ny vilany no vaky, ny mpandoatra no nimonjomonjo
- Ny ditra mahafaty, ny kiry mahavery
- Andriamatoa mihanta ny ditra, Faralahy mandatsa ny nenina.

VANF

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT