TENY GASY

Ny Mpanolo-tsaina


  • Zoma 22 Septambra 2023

Voalohany, ny hevitra no amaharana fanao fototra. Tsy azon’Ny Mpanolo-tsaina heverina izany hoe fifidianana

Filoham-pirenena no atrehina ka na dia mifanipaka hevitra amin’izay hitondrana ny tany sy ny Fanjakana aza, na nifangarika atsimo sy avaratra aza hatrizay, dia hifandray tendro tampotampoka eo satria hoe «Na iza na iza rehefa tsy Ranona fotsiny».

Faharoa, raha mihevitra ho azo fidina ho Filoham-pirenena, farafaharatsiny, mba manome hasina ny Fanjakana fa tsy sanatria mandrora mitsilany hankatoa fanongam-panjakana na fandrombaham-pahefana. Ary indrindra, maniratsira andrim-panjakana, tahaka izay efa hita sy re isaky ny tafavorivory eo amin’ny kianjan’ny 13 mey : 1972 (?), 1991, 2002, 2009, 2018.

Fahatelo manaraka izany, « Ny Mpanolo-tsaina » dia mandà tanteraka ny fanalàna baraka an’i Madagasikara imason’ny firenen-kafa ka sanatria hirary rotaka sy korontana hitaomana ny Vahiny hisisika amin’ny raharahan-tokantranontsika. Io no tena tsiny lehibe tamin’ny 2002 : henatra mihitsy ny nitondrana ny iraka afrikana tetsy Analakely, nialoha ny «oroka» tany Dakar (Senegal). Dia mbola nanindroa tamin’ny 2009, hany ka nentina nahahaka imasom-bahoaka tany Afrika ny «dialogue inter-Malgaches». Nosy anefa i Madagasikara, nosy mantsy i Madagasikara.

Etsy andaniny, ny maha mpanolo-tsaina « Ny Mpanolo-tsaina » dia ny teny tsy misorona aminao Mpitondra. Mety ho tsara, mety ho ratsy, saingy ny hevitra tsy azo raha tsy amin’olombelona. «Ny teny an-dapa tsy mahadiso», hoy ny ohabolam-panjakana, ka tsy ananan-tsiny raha imason’ny Mpitondra no itenenana, fa raha ivohony kosa dia mifosa sy mikomy.

« Ny Mpanolo-tsaina » dia tsy manaiky fahatany. Ahoana moa no ianteherana amin’ny tsy misy hazon-damosina ? Misy roa mantsy ny fanoroana vohana : ny iray mandemaka an-trano, manao am-po, miandry kendry tohana ka mivadika amin’ny andro farany ; ny faharoa manara-drenirano fotsiny ka manaiky fahatany sy mandokaloka mandra-pivarinana miaraka any an-kady.

Mpanolo-tsaina mitsinjo ny ho avin’ny firenena. Madagasikara inona, Madagasikara ahoana, Madagasikara an’iza. Isika tena Malagasy ve no manana tombontsoa amin’ny ady an-trano, sa ny Vahiny isan-karazany no miandry antsika hanamasa-tena, tahaka izay efa tsapa enimpolo taona izao ? Ny ady atsangana loza mihantona, ny fihavanana hay avitrana levenam-bola. Mbola tsy tara loatra.

VANF

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT