kolontsaina

TENY GASY Ny Malagasy mangataka zom-pirenena hafa dia miala tsy ho Malagasy


  • Zoma 16 Jona 2023

Ny Malagasy iray dia afaka mangataka tsy hizaka intsony ny zom-pirenena malagasy.

Ambara amin’ny alalan’ny Didim-panjakana ataon’ny Filohan’ny Repoblika izany, «noho ny fangatahana mazava nataon’ny voakasika» izay «afaka amin’ny adidy mamatotra azy manoloana ny Repoblikan’i Madagasikara». Efa nampiseho porofo ny fizakany zom-pirenena hafa izy, mialoha izany Didim-panjakana izany.

Ny Fehezan-dalàna malagasy mikasika ny zom-pirenena dia mametraka mazava, ao amin’ny andininy faha 42, fa izay Malagasy minia mangataka zom-pirenena hafa dia manary ny zom-pirenena malagasy.

Ny Lalampanorenena tamin’ny 1959 sy 1975 dia tsy nitaky ny maha Olom-pirenena Malagasy izay hilatsaka ho Filohan’ny Repoblika. Ny Lalampanorenana tamin’ny 1992 (nasiam-panovana tamin’ny 1995 sy 1998) no nampiditra voalohany io maha Malagasy io. Ny Lalampanorenana tamin’ny 2007 aza dia namariparitra mihitsy fa tsy maintsy «Malagasy teratany avy amin’ny Rainy sy ny Reniny». Nailika moa io fepetra hentitra io tao amin’ilay Lalampanorenana «tsy nifanarahana» tamin’ny 2010.

Hatramin’ny 1992 izany, dia tsy maintsy Malagasy vao afaka ho Filohan’i Madagasikara. Voamarina anefa ankehitriny fa i Andry Rajoelina dia nangataka ny zom-pirenena frantsay tamin’ny 2014, izay nomena azy araka ny taratasy nosoniavin’ny Praministra sy Ministry ny Atitany frantsay.

Raha nanao ny asany antsakany sy andavany ny vaomiera mandinika ny fahazoana hilatsaka ho fidiana, dia tsy tokony ho nekena ny filatsahan’i Andry Rajoelina tamin’ny 2018. Mazava ho azy fa tsy tokony ho asian-teny akory ny mbola hilatsahany indray amin’ny 2023.

Izay ny Lalàna. Saingy ho resaka politika io. Ahoana moa izany ny fanapahan-kevitra rehetra, 2018-2023, noraisin’ny Filoha iray izay tokony heverina ho toy ny tsy teo mihitsy na dia iray minitra aza ? Resaka Lalàna sy resaka politika, ary ho resaka «politique fiction» mihitsy.

VANF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT