kolontsaina

TENY GASY Ny Jesoita sy Madagasikara : Toko 3 (1869-1895)


  • Zoma 17 Jona 2022

Ny Tantaran’i Madagasikara heverintsika eto dia faranana hatreo amin’ny «Faha Tany Gasy», izany hoe mialoha ny 1896, nahalasa zana-tany ny Nosy anivon’ny riaka.

Ny vanim-potoana fahatelo farany, 1869-1896, dia sady nahitana ny tsangambaton’ny LMS sy ny NMS ary ny Anglikana : tsangambato ara-bakiteny satria niorenan’ireo fiangonana Tranovato «Memorial Church» efatra ho an’ny LMS (Ambatonakanga, Ambonin’Ampamarinana, Ambohipotsy, Faravohitra), nisantaran’ny NMS ny Fiangonana loterana Ambatovinaky ary nahavitan’ny Anglikana ny katedraly Ambohimanoro sy ny sekoly teôlôjika Ambatoharanana.

Hatramin’ny safidy protestanta nataon’ny Mpanjaka Ranavalona II sy ny Praiministra Rainilaiarivony (batisa 21 febroary 1869) dia nahazo vahana kokoa ny protestanta. Ankoatra ny Fiangonana (katedraly Andohalo no sangany indrindra) dia nifantoka tamin’ny fandalinana ny teny ny Jesoita : diksionera roambinifolo no voaisan’i Masera Linah Ravonjiarisoa («La contribution des Jésuites dans la lexicographie malgache» in «Les Jésuites dans l’histoire de Madagascar», Ambozontany-Analamahitsy, Antanananarivo, 2022, tak. 272-299) hatramin’ny fiafaran’ny taonjato faha-19.

Ny taona 1868 dia nangataka diksionera «malagasy-frantsay» tamin’ny Jesoita ny Mpanjaka Rasoherina satria ny zaza natsangany, Ratahiry, dia nianatra teny frantsay tamin’i Mompera Callet. Toa niarahan’izy sy Laurent Ailloud sj nanantontosa io diksionera io.

Talohan’ny 1869 tokoa dia efa nisy diksionera vitan’ny Jesoita : Romain Déniau sy Ambroise Neyraguet (1847-1851, «Dictionnaire français-malgache», dika-teny avy amin’ny diksionary nataon’ny Misionera LMS Freeman sy Johns), Pierre Piras (1851), fa ny nalaza indrindra mandrak’ankehitriny dia ny «Dictionnaire malgache-français» (1853) sy «français-malgache» (1855) nataon’i Joseph Webber. Ilay Jesoita malagasy voalohany, Basilide Rahidy, dia nanoratra ihany koa diskionera «malgache-français/français malgache» (1872), fony izy mbola nianatra tany Frantsa.

Singanina manokana i François Callet, fanta-daza kokoa amin’ny «Tantara ny Andriana». Ankoatra ilay «Vocabulaire français-malgache, rédigé par les missionnaires catholiques, à l’usage de leurs élèves» (1868), dia nisy «Dictionnaire malgache-français» (412 takila), vitan’i Mompera Callet tamin’ny 1874, raha izy mbola niasa tany Anjozorofady-Anjozorobe. Io no fototra niaingan’ny «Dictionnaire Abinal-Malzac» (1888), izay mbola fampiasa ankehitriny. Nisy diksionera goavana be efa natombok’i Mompera Callet, saingy tsy tontosa hatramin’ny farany dia voatery niala teto Madagasikara izy, ary nodimandry (1885) vetivety foana rehefa tafody tany La Réunion.

Ny 18 desambra 1890, ampitson’ny nanamasinana ny katedraly Andohalo, dia tonga nanatrika ny fotoam-pivavahana tao ny Mpanjaka Ranavalona III sy ny Praiministra Rainilaiarivony, rehefa notsenain’ny «Vicaire apostolique», Mgr Jean-Baptiste Cazet sj.

Ny 1 novambra 1888 no tonga teto Antananarivo Élie Colin sj. Izy no tale voalohan’ny «Observatoire» izay natsangan’ny Jesoita teny Ambohidempona, nanomboka ny jona 1889. Désiré Roblet, jesoita iray hafa efa teto an-toerana hatramin’ny 1862, dia nahavita nitety ny lafivalon’Imerina sy Betsileo ka nahavitany sarintanin’Imerina, tena mahazendana raha fantatra fa tsy nisy fiaramanidina na zana-bolana teo am-pelatanany. Taoriana kelin’ny ady voalohany tamin’ny Frantsay, dia nitsangana ny Kolejy jesoita Saint-Michel : 1888 teny Ambohipo, vao nifindra teo Ampariabe-Anosy tamin’ny 1900. Fa izany taonjato faha-20 izany dia efa Tantara hafan’i Madagasikara.

VANF


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT