kolontsaina

TENY GASY Ny fanahy no maha-Andria(manjaka)


  • Alarobia 21 Septambra 2022

Tsara levenana ny Mpanjakavavy Elisabeth II, henin-kaja ny Fanjakana britanika. Ny ahy, anatra telo no ho asongadiniko : ny lanjan’ny Tantara, ny fahaiza-manao zavatra, ny fahaiza-miaina.

Ny lanjan’ny Tantara. Ny taona 1714 i Georges Brunswick-Lüneburg, izay efa mpanjakan’ny Hanovre, no niakatra ihany koa ho mpanjakan’i Englanda. Dadaben’ny dadaben’ny Mpanjaka Victoria izy. Hatreo amin’i Victoria (Saxe-Cobourg-Saalfeld avy amin’ny reniny), izay nanambady ny Printsy Albert, dia Saxe-Cobourg-Gotha ny Mpanjaka britanika. Anarana henin-kaja izany anarana izany, manerana an’i Eoropa : ny taona 1900, tsy latsaky ny dimy ireo Fanjakana nahitana Saxe-Cobourg-Gotha teo amin’ny fiandrianana. Vao ny taona 1917, noho ny adin’ny samy Eoropeana, no nanovàna ho «Windsor» ny anarana Saxe-Cobourg-Gotha. Victoria (nanjaka 1837-1901) dia reniben’ny dadaben’i Elisabeth (nanjaka 1952-2022).

Ny fahaiza-manao. Roapolo taona, hono, no efa niomanana tamin’iny fotoan-dehibe 19 septambra 2022 iny. Tsy ankamehana mba hilazana hoe «tsy mora ny manao zavatra». Tsy nisy nivaona fa kinajy antsipirihiny. Ireny ka tena aro-fenitra, tsy mampandainga ny voambolana hoe «manara-penitra». Raha nisy angamba «indro kelin’ny mpandrafitra», mety heloka naha tapa-doha.

Ny fahaiza-miaina. Marim-potoana fa tsy hoe «sao mbola misy andrasana». Na Mpanjaka na Filohan’ny Repoblika, rehefa fotoana dia fotoana, fa tsy hoe finaritra mampiandry, sao tsy fantatry ny olona ny voninahitra keliny. «Ny miarahaba, tsy maha-andevo. Ny arahabaina, tsy maha-andriana» : asa, inona no ohabolana mifandraika amin’izany rehefa mby amin’ny fifanajana ara-potoana.

Ny fahaiza-miaina (ihany). Vahoaka an’alin-kisa, samy te hahita azy farany, saingy tsy nihoa-pefy, tsy nifanosika, tsy nifanitsaka. Vahoaka marobe, nahay nanotrona am-pahanginana. Manam-pahefana isan-tsokajiny, tsy notapohim-boninahitra ka maivan-doha mampaneno kiririoka tahaka ny mpanao famadihana mibahana arabe.

Ny fahaiza-miaina (hatrany) no kitro ifaharan’ny fiandrianana britanika, izay Fanjakana entin’Antenimiera. Tsy manana tapiam-pahefana, saingy to-teny. Satria mihaja, mendrika ho hajaina. Raha ireny niaraha-nahita ireny : ny fanahy no maha-Mpanjaka, ny fanahy no maha-Andriana.

VANF

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT