kolontsaina

TENY GASY Ny «Atelier d’Art Mandrakizay» sy ny sary masina


  • Zoma 04 Aogositra 2023

Mbola misy «Misionera», mpamaky lay tahaka ireo nialoha lalana azy tamin’ny taonjato faha-19.

Toy izay no fahitako an’i Gabriel de Lépinau, pretra amin’ny «Missions Étrangères de Paris» (MEP), fikambanan-drelijiozy niforona tamin’ny 1658. Miasa eto Madagasikara izy, ka any Boriziny (Port-Bergé) no tena fonenany.

Ankoatra ny fitoriana teny sy fanorenana Fiangonana, dia efa nahatsangana efitrano sekoly 22, mahazaka mpianatra dimampolo isanisany, ry zareo MEP tamin’ny 2022. Ilay sarin’i Kritsy vita mozaika (vato atambatambatra hanome sary) mandravaka ny tapenaky ny Fiangonana «Famindrampon’Andriamanitra» ao Port-Bergé dia asa-tanan’ny «Atelier d’Art Mandrakizay» : tanora manan-talenta ary tia asa-tanana, nomena fiofanana, no miara-miasalahy ao. Nanao fampirantiana voalohany ireo sanganasany ny «Atelier d’Art Mandrakizay» tamin’ny 3 desambra 2022, tetsy Ambohibe-Ilafy.

Araka ny tenin’i «Mompera Gabriel», mino hono izy fa ny zava-kanto, «asa voakaly heverina haharitra mandrakizay», dia mitaona ny olombelona hihaona amin’Andriamanitra. Isan’ny tanjona dia hoe hampahafinaritra ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy amin’ny alalan’ny asa-tanana isan-karazany : sary hosodoko, sary sikotra, sary vita vato, sary amin’ny fitaratra...

Ao anatin’izany indrindra ary no nanasan’ny «Atelier d’Art Mandrakizay» an’ilay Britanika Ian Knowles (tale mpanorina ny Bethlehem Icon Centre), hanome fampiofanana izay rehetra maniry te hianatra momba ny fanaovana asa-kanto sy sary masina. Manomboka ny 15 aogositra ho avy izao ka hatramin’ny faran’ny volana izany fampianarana izany.

Tahaka ireo Misionera tamin’ny taonjato faha-19, izay namela diksionera sy rakibolana maro, dia nianatra ny tenintsika i Gabriel de Lépinau ary efa havanana miteny gasy. Mila hanambaka ny teratany sasany badabada lela.

VANF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT