Marina fa mbola tsy nisy vehivavy voafidy ho Filohan’ny Repoblika na voatendry ho Praiministra Lehiben’ny Governemanta teto Madagasikara, saingy nanana Andriambavy sy Mpanjakavavy maro isika tamin’ny Tantara.
Vehivavy no voatendry ho Praiministra any Frantsa. Tany India, indroa miantaona (1966-1977, 1980-1984) no nitantanan’i Indira Gandhi ny firenena.Tany Angletera, dia irakambinifolo taona (1979-1990) no naha Praiministra an’itompokovavy Margaret Thatcher. Tany Alemaina, eninambinifolo taona (2005-2021) no naha Lehiben’ny Governemanta an-dRamatoa Angela Merkel. Firenena maro (Singapour, Namibia, Argentina, Bangladesh, Finlande, etsetra) no efa «nentim-bavy» anefa tsy nahita antambo na nidiran-doza.
Ny teto Madagasikara, ny tena nalaza dia ireo Mpanjakavavy tamin’ny taonjato faha-19 : Ranavalona I, Rasoherina, Ranavalona II ary Ranavalona III. Raha ny teto Imerina fotsiny anefa dia efa nisy an-dRafohy sy Rangita izay nametraka ilay fari-bava «Fanjakana arindra», tany amin’ny taonjato faha-16.
Ankoatra azy ireo, anefa dia maro azo tanisaina ny vehivavy nitondra na nanana anjara-toerana manokana teto amin’ny firenena (voambolana ahitana ny foto-teny «reny»).
Rafotsibelokinitany : mpanjakavavy Zanakony (zana-poko tamin’ny Betsimisaraka) izay nanorin-drenivohitra tao Lohasaha, na Beparasy ankehitriny (manamorona ny ony Mangoro, ao atsimo-andrefan’i Moramanga), ka nivady tamin’ny Merindahy Andriamalazabe ka hoe izany no nihavian’ny foko Bezanozano, tany amin’ny taonjato faha-17.
Betia : zanakavavin-dRatsimilaho, nandova ny nosy Sainte-Marie (Nosy Boraha) izay natolony ny «compagnie des Indes» frantsay tamin’ny 1750.
Ravahiny : mpanjakavavy tamin’ny Sakalava-Boina ary nivahiny taty Imerina tamin’ny faramparan’ny Fanjakan’Andrianampoinimerina (1810).
Ralesoka sy Ranavalona : anabavin’Andrianampoinimerina, nanangana an’i Mavo (ho lasa Ranavalona aty aoriana) ho zanany. Zanak’anabavin’Andrianampoinimerina izany Ranavalona I, ka izay no nandovany Fanjakana tamin’ny 1828.
Rasalimo : zana-dRamitraho, mpanjakan’ny Sakalava-Menabe. Izy ilay vady nandrasan-dRadama tao «Miandrivazo» tamin’ny 1822 (na 1824) ary renin-dRabobalahy sy Raketaka. Nomena ho vodivonany ny eny Ampananina-Marovatana, avaratr’andrefan’Ivato.
Binao : mpanjakavavy sakalava, nifehy ny vahoaka nantsoina hoe Bemihisatra tamin’ny taona 1879-1923.
Faha-gola, talohan’ny «Tantara», dia namorona an-dry Darafify sy Rapeto, samy goavambe, ny Ntaolo ho fitanisana izay efa tsy very tadidy. Rasoalao sy Rapeto, hono, dia mpivady. Ary izy ireo hono no namorona ny farihy Itasy. Rasoalao no renin’ny fambolena, raha Rapeto no rain’ny fiompiana. Ny vavy mpanetsa mitoetra, ny lahy mpanao dabokandro mandehandeha. Angano, angano ; arira, arira.
VANF
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.