kolontsaina

TENY GASY Miasa jamba rafozana ny Ben’ny Tanàna


  • Zoma 27 Mey 2022

Miasa jamba rafozana ny Ben’ny Tanàna. Tsy ny Ben’ny Tanàn’Antananarivo ihany, fa izy anefa moa no talaky maso indrindra. Satria eto amin’ny Renivohitra dia eo ambany mason’izao tontolo izao.

Miasa jamba rafozana satria tsy mahazo manantena sitraka amin’ny vahoaka. Tsy misy farany ny fahasahiranana. Vita ny lalana Ampasampito-Ampandrianomby-Andrainarivo ? Mbola miandry ny lalana Ambohimiandra-Mandroseza. Efa ho simba ny lalana miakatra Antsahabe. Dia toy izany hatrany.

Afaka ny fako etsy Betongolo ? Efa miavovona ny eo Ankadilanana mankany Fiadanana. Milamina ny parking Amparibe ? Mbola feno vato miandry toerana Antaninarenina-Isoraka. Misosa ny fifamoivoizana midina Ambohijatovo ? Mbola mankarary an-doha ny eny Anosizato. Vao voahirina ny ato, mivandravandra sahady ny ary.

Tsy misy fotoana hiandrasana tehaka amin’ny sasany, fa dia efa ompa no azo amin’ny hafa. Raha faly ny raiamandreny mpaka mpianatra hahazo parking, ho tezitra hidongy tsy hiala ny mpivarotra fiara nomen-toerana etsy Antanimbarinandriana. Raha mankasitraka ny vahoaka mahazo zaridaina tsara tarehy, efa vonona handevilevy ny mpitondra fiara tsy mahita parking.

Tsy ampy ny fahefana am-pelatanan’ny Ben’ny Tanàna. Noho ilay fanapariaham-pahefana tsy foifoy. Ny Fokontany 192 manerana ny Firaisana enina eto Antananarivo-Renivohitra no tokony kitro hifaharan’izany fanapariaham-pahefana izany, anefa dia natao eo ambany fahefan’ny Ministeran’ny Ati-Tany sy ny Fanjakana foibe. Iza sisa, ohatra, no masoivohon’ny Ben’ny Tanàna hahita sy hitatitra ny ady mitranga isan’andro amin’ny mpifanolo-bodi-rindrina : fananganana rindrina mitohoka amin’ny tamboho manasaraka ; fananganana trano anelakelan-trano tsy nahazoana alalana ; fanaovana tabataba tsy andro tsy alina ; fandorana fako manempotra ny manodidina ; fofona ratsy, rano maloto, lamba mihahy, etsetra...

Ireny olana madinika isan’andro ireny anefa no manorisory matetika sady maharitra ireo vahoaka tsy mahalala ny olana ara-bola na ara-pitaovana na ara-didy aman-dalàna mianjady amin’ny Ben’ny Tanàna.

Tompony mangatak’atiny hatrany ny Ben’ny Tanàna, tsy tompon’ny volavita fa mpamerin-doha. Raha ny eto Antananarivo-Renivohitra manokana, ny vesatry ny adidy sy ny isan’ny mponina an-tapitrisa dia efa tokony ho laharan’ny Governora ny Ben’ny Tanàna. Tsy mifandraika amin’izany anefa ny didy aman-dalan’ny Fanapariaham-pahefana tsy foifoy.

VANF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT